Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fifandraisantsika amin’ny Tsy Fahombiazana

    Ataovy izay azonao atao mba hahazoana fahatanterahana; kanefa aza mihevitra fa satria nanao fahadisoana ianao dia nesorina tsy ho eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Fantatry ny Tompo ny mandrafitra antsika; Tsaroany fa vovoka isika. Raha mampiasa amim-pahatokiana ireo talenta nomen’Andriamanitra anao ianao dia hahazo fahalalana izay hahatonga anao tsy hionona amin’ny tenanao.HAT 200.1

    Miasà amim-paharisihana sy amim-pitandremana tsara, omeo ny hafa ireo fahamarinana tena sarobidy aminao. Avy eo rehefa misy toerana banga izay natao hofenoina dia ho renao ny teny manao hoe: «miakara ambonimbony kokoa.» Mety hisalasala ny hamaly ianao kanefa mandrosoa amim-pinoana, mitondrà eo amin’ny asan’Andriamanitra zotom-po vaovao sy mahitsy.HAT 200.2

    Avy amin’ny alalan’ilay Mpampianatra lehibe irery ihany ny tsiambaratelon’ny fahazoana fanahy. Tahaka ny ranon’ando sy ny ranon’orana izay milatsaka mangina eo amin’ny zava-maniry mihamalazo dia tokony hiraraka amim-pahalemem-panahy sy amim-pitiavana ny teny ataontsika amin’ireo fanahy izay tadiavintsika ho azo. Tsy tokony hiandry mandra-pisian’ny fotoana mety azo hararaotina ho tonga eo amintsika isika; fa isika no tokony hitady azy ireo, hihazona ny fontsika ho tafasandratra amim-bavaka mba hahafahan’Andriamanitra manampy antsika hiteny ny teny araka ny tokony ho izy amin’ny fotoana mety. Rehefa miseho ho azy ireo fotoana mety azo hararaotina, aoka ny fialan-tsiny tsy hitarika anao hanao an-tsirambina izany; fa ny fampiasana izany ho amin’ny tsara dia mety hidika ho famonjena ny fanahy iray tsy ho azon’ny fahafatesana. - YI, 6 Feb.1902.HAT 200.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents