Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 70 — Fahatokiana amin’ny Asa Fanompoana

    Ireo izay tsy mahatoky amin’ny kely indrindra amin’ny zavatra mandalo dia tsy hahatoky amin’ny ireo andraikitra manan-danja kokoa. Mandroba an’Andriamanitra izy ireo, ary tsy mahomby amin’ny fanatrarana izay takin’ny lalàn’Andriamanitra. Tsy ho tsapan’izy ireo fa an’Andriamanitra ireo talentany ka tokony hatokana amin’ny asa fanompoana Azy. Ireo izay tsy manao na inona na inona ho an’ny mpampiasa azy afa-tsy izay nodidina hataony ihany, na dia fantany aza fa ny firoboroboan’ny asa dia miankina amin’ny asa fanampiny avy aminy, dia tsy ho anisan’ny antsoina ho mpanompo mahatoky. Misy zavatra maro izay tsy voalaza mazava tsara ilaina hatao, ary ny mpiasa no mahamarika izany mivantana.HAT 201.2

    Fahaverezana sy fatiantoka maro niseho no mety ho voasoroka raha nisy fisahiranana mafy sy ezaka tsy misy fitiavan-tena naseho, raha ny fitsipiky ny fitiavana nomen’i Jesôsy antsika no tanterahina eo amin’ny fiainan’ireo milaza ho mino ny Anarany. Kanefa maro amin’ireo izay miasa ao amin’ny asan’Andriamanitra no voarakitra ho toy ny «mpanompo mila fanaraha-maso».HAT 202.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents