Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Hery Manosika Tena Izy amin’ny Fanompoana

    Misy maro amin’ireo izay milaza ho Kristianina no tsy tafaray amin’i Kristy. Tsy azo ianteherana izy ireo, tsy azo itokiana. Mihevitra mandrakariva ny hampihenana ny fanompoany ho amin’ny fiezahana kely indrindra izy ireo, kanefa etsy an-daniny mitaky karama ambony indrindra. Ny anarana hoe “mpanompo” dia mahafaoka ny olona rehetra; satria mpanompo avokoa isika rehetra, ary ho tsara ho antsika ny hahita izay lasitra ampiasaintsika. Moa ve ny lasitry ny tsy fahatokiana izany sa ny fahatokiana?HAT 203.1

    Moa ve fironana an-kapobeny eo amin’ny mpanompo ny hanao izay be indrindra azony hatao? Moa ve tsy fomba fanao mahazatra ny miala tsimoramora amin’ny asa haingana sy mora foana araka izay azo atao, ary ny hahazo karama kanefa tsy manao ezaka araka izay azo atao firy? Ny tanjona dia tsy ny hahavita zavatra araka ny tokony ho izy fa ny hahazo karama. Ireo izay milaza fa mpanompon’i Kristy dia tsy tokony hanadino ny fananaran’ny Apôstôly Paoly manao hoe, “Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'ny olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo hianareo.HAT 203.2

    Ireo izay miditra ao amin’ny asa tahaka ny “mpanompo mila fanaraha-maso” dia hahita fa ny asany dia tsy haharitra ny fanaraha-mason’ny olona na ny anjely. Ny zavatra ilaina amin’ny fahombiazana amin’ny asa dia ny fahalalana an’i Kristy; satria izany fahalalana izany no hanome foto-kevitra madion’ny fahamarinana, manome ny toe-tsaina mendrika sy tsy tia tena, tahaka ny an’ny Mpamonjy antsika izay lazaintsika fa tompointsika. Ny fahatokiana, ny fitsitsiana, ny fikarakarana amin’ny fahafenoany no tokony hampiavaka ny asantsika rehetra, na aiza na aiza misy antsika, na ao an-dakozia na ao amin’ny efitrano fiasana, na ao amin’ny biraon’ny fampielezam-boky, na ao amin’ny toeram-pitsaboana, na ao amin’ny toeram-pianarana, na aiza na aiza ametrahana antsika ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo. “Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.” RH, 22 Sept. 1891.HAT 203.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents