Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fivavahana Fototry ny Fiainana

    Fototry ny fahalehibeazana marina ny fahatahorana an’i Jehôvah. Ny fahitsiana, dia ny fahitsiana tsy miova, no foto-kevitra ilainao amin’ny fifandraisana rehetra eo amin’ny fiainana. Ampidiro ao amin’ny fiainanao any an-tsekoly, any amin’ny kilasimandry, amin’ny ezaka rehetra ataonao ny fivavahanao. Ny fanontaniana lehibe ho anao ankehitriny dia ny hoe: atao ahoana ny hifidy sy hanohy fianarana nefa hihazona ny fahamatorana sy ny fahadiovan’ny toetra kristianina tsy azo hozongozonina, mampilefitra ny tombontsoa sy fiahian’izao fiainana izao eo ambany fifehezan’ny fitakian’ny filazantsaran’i Kristy ambony kokoa?HAT 23.2

    Ilainao ny manorina ankehitriny izay hahafahanao mifandray amin’ny tontolo misy anao izao sy hanananao fiainana araka izay tanjon’Andriamanitra raha namorona anao Izy. Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy anao, dia tsy sakanana amin’ny fanatrarana tanjona mikasika ny fiainana ankehitriny ianao; fa tokony hiaraka aminao mandrakariva ny fivavahanao. Na inona na inona asa anananao fahaiza-manao, dia aoka tsy hisaina velively fa tsy maintsy miala amin’ny foto-kevitra tanana ianao raha te hahita fahombiazana.HAT 23.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents