Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mifehy ny ho Anjarany

    Misy fahamarinany lehibe ny fomba fiteny hoe: “Ny olona rehetra dia mpanakanto amin’izay nohariny”. Marina fa ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny lova avelany, ohatra ny fanabeazana; fa tsy latsa-danja noho izany koa isika eo amin’ny fitondrantsika ny tenantsika.HAT 213.2

    Nandray ny lesona sy ny fampianarana azony tamin’ny fahazazany ry Daniela sy ny namany, kanefa tsy ampy ho amin’ny fiainany manontolo izany. Avy ny fotoana izay tsy maintsy hiatrehany ny fiainany amin’ny fitondran-tenany. Izany no nitokiany tamin’ireo lesona azony fony fahakeliny. Ny fahombiazany dia nanomboka tamin’ny fahatokiana an’Andriamanitra.HAT 213.3

    Ny tantaran’i Daniela sy ny namany dia voarakitra ao amin’ny Soratra Masina mba ho ohatra ho an’ny tanora atỳ aoriana. Amin’izany fahatokiana izany, Andriamanitra dia miantso ny zatovo mba hanatona Azy ka hioty ny fahalalana onony kristianina sy hiainany amim-pilaminana ao amin’ny fahasalamana.HAT 213.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents