Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahavalon’ny Fiainam-Panahy

    Raha azo atao ny mandoro ny ampahany maro amin’ireo boky voatonta, dia ho azo natao ny nanakombona ny fery lehibe nanimba ny fo sy ny fanahy. Ny tantaram-pitiavana, ny tantara manidintsidina sy manaitaitra ny filàn’ny nofo, eny, fa na dia ny tantaram-pivavahana aza, izay ampitan’ny mpanoratra lesona ara-môraly dia loza ho an’ny mpamaky. Tantaram-pivavahana angamba no hita, fa amin’ny ankamaroany no ahitana an’i Satana miseho ho anjely mazava ary koa mamitaka. Tsy misy afaka hitoky amin’izany fomba izany ka hahazo antoka ho afa-manohitra ny fakam-panahy sy hanalavitra ny loza mananontanon’ny vaky boky.HAT 236.2

    Mitaiza ny fahazaran-dratsy izay manimba ny fiainam-panahiny ary mampiodina tsy hijery ireo takila masina ny famakiana tantara tsy masina. Manaitra ny filàna maloto, mankarary ny masom-panahy, mampahalemy ny fahalalana, manimba ny fahazarana mivavaka ary manaisotra ny tsiron’ny vavaka ny famakiana ireny tantara tsy masina ireny.HAT 236.3

    Nomen’Andriamanitra faharanitan-tsaina ambony ny tanora; matetika anefa no korontanin’izy ireo ny heriny ary ampahoriany ny sainy amin’ireny vaky boky tsy masina ireny; taona vitsy aty aoriana dia ho hita fa tsy misy fivoarana ny amin’ny fahasoavan’ny fivavahana ary tsy manana fahalalana ny amin’izany akory izy ireo. Amin’ny fiavian’ny Tompo fanindroany, amin’ny hisian’ny fiovana lehibe, rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity, ireo izay miandry izany fotoan-dehibe izany dia tokony hanana drafitra ambony sy maty paika mandritra ny fotoam-pahasoavana.HAT 237.1

    Ry tanora malala, fantaro ny fanandramana efa niainanao vokatry ny famakiana ireo tantara manaitaitra. Aorian’ny vakiteny toy ireny, vitanao ve ny manokatra ny Baiboly ka mamaky amim-pahaliànana ireo teny fiainana? Tsy tsapanao ho mahaliana ve ny Tenin’Andriamanitra? Manimba ny saina ary manampina ny mason’ny saina tsy hibanjina ny zava-panahy sy ny mandrakizay ny fankamamiana ny tsiron’ny tantaram-pitiavana.HAT 237.2

    Aza misalasala mampanalavitra anao amin’ny vakiteny tsy masina sy tsy misy antony, izay tokony hampivelatra ny fiainam-panahy, nefa manimba sy manakana ny masom-panahinao tsy hieritreritra an’i Jesôsy izay tokony ho Laharam-pahamehanao. Halalaho ny sainao amin’ireo izay mety hamely anao amin’ny lalana tsara, aza tsentsemana tantara ratsy, tsy mampivelatra ny vavahadin-tsainao ireny Miankina amin’izay zavatra ampidirina ao aminy ny ho toe-tsaintsika.HAT 237.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents