Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 89 — Ohatra avy amin’ny Efesianina

    Nisy fiovana lalim-paka ny fahazaran’ny Efesianina rehefa nandray ny fahamarinana izy ireo. Niova fenitra teo amin’ny fitondran-tena izy ireo ary niala tamin’ny fahazaran-dratsin’ny ody maro samihafa sy ny zava-miafiny rehefa resy lahatry ny Fanahin’Andriamanitra. Naneho ny fanekem-pinoany izy ireo ka nibebaka, nampiseho tamin’ny fihetsiny fa niova fo tamin’ny fitondran-tena adalan’ny sikidy sy ny boky mirakitra izany. Rehefa tapa-kevitra hamoy ny zava-dratsy rehetra izy ireo dia nanangona ny boky ratsy rehetra ka nandoro izany teny ankalamanjana. Nasehony ankarihary fa amin’ny fony tokoa no iverenany amin’Andriamanitra.HAT 238.4

    Talohan’ny nandraisan’ireto Efesianina ireto ny fahamarinana dia mbola nahita fifaliana sy fahasambarana izy ireo tamin’ny famakiana sy fampiasaina ireny bokin-tsikidy ireny; ankehitriny anefa dia afoiny tanteraka izany fahazarany izany fa mandeha amin’ny fitsipiky ny feon’ny fieritreretany sy ny fanapahan’ny sainy izy ireo. Mety ho niparitaka mihoatra noho ny teo aloha ireny boky ireny raha toa ka namidiny. Tonga mpankahala ny zava-miafin’ny devoly, ny resa-tsikidy rehetra, eny tsy tia maizina ny fahalalana nananany teo aloha izy ireo. Te hanontany ny tanora manana ny fahamarinana aho: moa ve mba efa nodoranao ireo bokin-tsikidy tao aminao?HAT 239.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents