Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Famakiana Angano sy ny Vokany

    Nandinika ankizy maro izay navela hamaky ireny tantara ireny aho. Na ao an-trano izy na any ivelany dia na izy pelipelika na izy lasam-borona foana, ka tsy afaka manao resaka manaja olona ela. Ny fahafahana ambony indrindra, izay natokana ho amin’ny fanaovana andraikitra ambony, dia lasa fitambotsorana vokatry ny fibanjinana lohahevitra poakaty sy ratsy. Tena ilaina tokoa ankehitriny ny mamaly ny hetahetan’ny mpamaky tantara noforomporonina izay sady tsy manana faniriana tsara no tsy manana ny fahafahana hisandratra ho ambonimbony kokoa. Tsy misy tsirony fa matsatso aminy ny resaka na ny fisainana ny ara-pivavahana.HAT 243.1

    Ireo sakafon-tsaina noraisiny dia miteraka hery miasa mangina ratsy, mahatonga eritreritra tsy madio sy vetaveta. Feno antra ireny fanahy ireny ny foko, raha mahita azy ireo mamoy zavatra betsaka amin’ny tsy firaharahany ireo tombontsoa hahafahany mahalala an’i Kristy, Ilay hany Tokana hanantenana ny fiainana mandrakizay. Fotoana sarobidy manao ahoana no ariany, fotoana izay tokony hianarany Ilay Ohatry ny hatsarana.HAT 243.2

    Nahafantatra olona vitsivitsy aho izay namoy ny fahaizany manapa-kevitra vokatry ny famakiana ireny anganongano ireny. Mamakivaky ny fiainany amin’ny eritreritra marary izany ka mampitombo ny fahafinaretany isaky ny olana kely atrehiny. Ny zavatra tsy notandreman’ny saina salama sy mihevitra tsara teo ambany masony dia tonga fisedrana tsy hainy zakaina ary lasa vatomisakana tsy azony ihoarana. Aminy ny fiainana dia haizina tsy hainy vakina ary tsy azony hidirana.HAT 243.3

    Mampikorontana ny sainy sy mandoto ny eritreriny ireo olona izay mpihaino ireny tantara mampihetsi-po sy manaitaitra ny fìlàna ireny Mitotongana ny fiainan’ireny olona ireny ka tsy afaka hanasitrana ny aretina intsony izy vokatry ny tsy fahononan-tena tamin’ny famakiana ireny boky tsy mahasoa ireny.HAT 244.1

    Nefa ny fahazarana hatramin’ny fahazazana dia nitombo niaraka tamin’izy ireo ka nihanahazo vahana tao aminy; ary ny ezaka natao hialana amin’izany na toy inona na toy inona endrik’izany dia tsy mba nahazoana vokany raha tsy ampahany kely fotsiny ihany. Maro amin’izy ireny no tsy mba nahafantatra ny herin-tsaina fototra nananany tany am-boalohany. Ny ezaka rehetra izay ataony mba hahatonga ny azy ho Kristianina marina dia mijanona ho vinavina ihany. Tsy mety ho Kristianina mihitsy raha mbola tovozina amin’ny famakiana angano ihany ny fahiratan-tsaina.HAT 244.2

    Miteraka voka-dratsy sy loza eo amin’ny vatana ary koa eo amin’ny saina ny angano. Reraky ny famakiana angano ny saina. Betsaka ireo tanora, eny, fa na dia ny olon-dehibe koa aza no malahelo vokatry ny famakiana angano. Voataiza ao amin’ny toetra taitaitra mandritra ny fotoana maharitra ny saina, mandra-pahatongan’ny fotoana izay tsy ahafahan’ny ati-doha miasa intsony, ka miteraka ny fahalemena eo amin’ny tena manontolo mihitsy.HAT 244.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents