Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 7 — Fepetra ho amin’ny Fahombiazana

    Andraikitra mavesa-danja no apetraka amin’ny tanora. Iandrasan’Andriamanitra zavatra betsaka ny tanora izay mivelona ao amin’izao taranaka manana fahazavana sy fahalalana be izao. Miandry azy ireo hanapariaka izany fahazavana sy fahalalana izany Izy, maniry ny hampiasa azy ireo hanala sarona ny fahadisoana sy ny finoanoam-poana izay manamaizina ny sain’ny marobe. Hifehy tena hitsimpona ireo singam-pahalalana sy fanandramana tsirairay izy ireo. Hotanan’Andriamanitra ho tompon’andraikitra ny amin’ireo fahafaha-manao sy tombontsoa nomena azy izy ireo. Mitaky ezaka atao amin’ny fo ny asa manoloana azy ireo, izany no handrosoany miandalana, ary izany no takin’izao fotoana izao.HAT 27.3

    Raha manolotra ny sainy sy ny fony ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny tanora, dia hahatratra marika ambony amin’ny fahombiazana sy ny fampiasana azy. Izany no marika andrasan’ny Tompo amin’ny tanora. Ny manao latsak’izany dia fandavana ny hampiasa amin’ny fara tampony ny fahafaha-manao omen’Andriamanitra. Horaisina ho toy ny famadihana an’Andriamanitra izany, tsy fahombiazana amin’ny asa fanasoavana ny olombelona.HAT 28.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents