Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Lokon’ny Fahotana

    Tsy tokony hamaky ireny boky tsy mahasoa ireny, izay natao hitadiavam-bola, ny tanora. Tsindrimandry avy amin’i Satana ireny. Betsaka ny olona izay manaiky homosavian’ireny tantara tsy mahasoa ireny: lasa manao izay hampalaza ny tenany ny olona izay mamaky, eny, fa na dia amin’ny fanaovana heloka bevava aza. Miasa hanakona ny masom-panahy izany rehetra izany ka mitarika azy hanao izay notantarainy: ny habibiana, ny fahadisoana lehibe ary ireo fihetsika mamoafady rehetra araka izay voatantara amin’ireny (...)HAT 247.3

    Ireny boky mitantara ireo asan-devoly ataon’ny olona sasany ireny dia dokam-barotra ho an’ny ratsy avokoa. Ireo andinindininy mampahatahotra amin’izy ireny dia tsy tokony hofantarina akory ary ny olona izay mahalala ny fahamarinana amin’izao fotoana izao dia tsy tokony hiasa mba hameno ny saina amin’izy ireny. Ny fahiratan-tsaina izay mitady ny sakafony ary ny fanaitairany ao anatin’izany sakafo manafongana izany dia tsy afaka hahazo afa-tsy fisainana maloto sy vetaveta. — Counsels to Teachers, Parents and Students, tt. 133, 134.HAT 248.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents