Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 93 — Fanorenana Toetra Kristianina

    «Ity no hafatr’i Rtoa WHITE ho an’ny tanora talohan’ny nahafatesany»HAT 250.2

    Misy ny boky tena manan-danja kanefa tsy vakin’ny tanorantsika. Tsy noraharahain’izy ireo izany satria tsy misy vidiny eo imasony.HAT 250.3

    Tsy maintsy toroantsika hevitra izy ireo mba hamaky ny boky izay mitondra any amin’ny tena fanorenana toetra kristianina. Tokony ho voarakitra ao an-tsain’ny tanora ny fototra ijoroan’ny finoantsika. Hitany ireny fahamarinana ireny fa tsy fantany ny mba hananany hetaheta hianatra sy handalina izany. Tokony hovakin’ny tanora ireo boky mahatonga asa famonjena sy fanamasinana ny fanahiny. Tena ilainy izany hahafantarany ny tena fivavahana marina. Ny famakiana ireny boky tsy mahasoa ireny dia tsy mitondra ho any amin’ny fahamasinana.HAT 250.4

    Fotoana fanararaotana hiasana amin’ny tanora izao. Tsy maintsy lazaina aminy foana fa mandalo fotoan-tsarotra isika izao, fotoana tokony hamantarana ny tena fivavahana marina. Tsy maintsy ampiana sy ampeherezina izy ireo, tsy ho amin’ny filàny izany fa ho amin’ny fomba tsara mba hahazoan’ny fanahin’izy ireo fanamasinana.HAT 250.5

    Fantatro fa tsy ho velona ela intsony eto aho, kely sisa dia vitako ny asako. Ilazao ireo tanora fa te hampahery azy ireo aho, amin’ny alalan’ny teniko, hiaina amin’izay mifanaraka amin’ny fahendrena sy fanirian’ny lanitra ary hampiasa eo amin’ny manodidina azy ireo ny hery miasa mangina mendrika sy manandratra.HAT 251.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents