Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 94 — Vokatra Ateraky ny Anganongano

    Hoy ny tanora maro: «Tsy manam-potoana hianarana lesona aho!». Fa mba inona anefa no ataon’izy ireo? Ny sasany amin’izy ireo dia mandany ny fotoany amin’ny fitadiavam-bola fotsiny, nefa raha nandinika ny Tenin’Andriamanitra ka mampihatra ny lesona ianarany amin’ny fiainany izy ireo dia hahita fahombiazana eo amin’ny asa izay atao. Satria hiala amin’ny fitiavana ireny ravaka sy renty ireny izy ireo ary handray hery lehibe hahafantarany ny tena fahendrena. «Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena” - Sal. 111:10.HAT 253.1

    Mampiseho ny maha-Kristianina azy ireo tanora ireo nefa dia mirona mandrakariva mitady ny filàn’ny nofo; ireo fotoana nomena azy mba hanaovany ny fanandraman’ny fianarana ireo fahamarinan’ny Baiboly dia lanin’izy ireo amin’ny vaky boky tsy mahasoa. Sarotra ny hialany amin’izany, noho izany ireo kandidàn’ny lanitra dia tsy maintsy miala amin’izany toetra ratsy izany.HAT 253.2

    Mitarika ny fanahy ho any amin’ny fahaverezana ny famakiana ireny boky sy angano ireny. Marary ny fieritreretana, resin’ny fihetseham-po ny saina ary mahatsiaro ho finaritra mihitsy amin’izany. Misy filàna hafahafa hitady sakafon-tsaina tsy madio manozongozona ny saina. Ankehitriny, aman’alina ireo olona ao ambany fialofana tsy azo antoka satria nohelingelenin’ireny angano sy tantara tsy madio ireny ny sainy ka lasa nanorina trano teny ambony fasika ary mamafy fihetseham-po mankarary. — ST, 10 Feb. 1881.HAT 253.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents