Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Mozika Fahasoavana Sarobidy

    Feno torohevitra mikasika ny fampiasana sy ny tombontsoa azo avy amin’ny mozika sy ny hira ny tantarany ao amin’ny Baiboly. Matetika anefa, navily ho amin’ny ratsy ny mozika ka nahatonga azy ho fitaovana mahery vaika mitondra ho amin’ny fakam-panahy. Kanefa rehefa ampisaina ho amin’ny tsara izany dia tena fahasoavana sarobidy avy amin'Andriamanitra, mitondra ny saina ho amin’ny fibanjinana sy ny fahadiovana, hanindrimandry hanandratra ny fanahy.HAT 254.2

    Nandritra ny diabe fivahiniana tany an’efitra, ireo zanak’i Isiraely dia nandany ny fotoany tamin’ny fihirana hira masina. Tahaka izany koa no anoroan’Andriamanitra ny zanany ankehitriny mba hiravoravoany mandritra ny fiainam-pivahiniany etỳ an-tany. Misy vitsivitsy ireo fomba ahafahana mitadidy ny Tenin’Andriamanitra amin’ny famerimberenana azy amin’ny alalan’ny hiram-piangonana. Manana hery mahasoa ny hira: afaka mampihena ny fanaintainana na ny tsy fahampian’ny fahaizana; afaka manafaingana ny asan’ny fieritreretana, mampifoha ny hatsaram-panahy, mitondra firindrana eo amin’ny asa atao, manala ny tahotra sy mampionona ny alahelo na ny ahiahy izay manakivy ny herim-po sy mampihena ny tanjaka.HAT 254.3

    Fomba iray ahafahana mametraka ny fahamarinam-panahy ao am-po ny hira. Impiry impiry moa ny fitadidiana no mampahatsiahy amin’ny fanahy kivy na efa diso fanantenana, ny hafatra efa nohadinoina ela amin’ny alalan’ny hira tamin’ny fahazazana, efa lanin’ny herin’ny fakam-panahy, toa manjary misy heviny indray ny fiainana? Ary ny herim-po sy fifaliana azo avy amin’izany no ampitaina any amin’ny fanahy hafa!HAT 254.4

    Tsy tokony hohadinoina mandrakariva fa manana anjara asa lehibe eo amin’ny fampianarana ny hira. Raha hiraina any an-trano amin’ny feo malefaka sy madio izany dia tsy ho maro intsony ny fibedibedesana amin’ny fananarana, ho re hatrany hatrany ny teny mampahery ny fo, teny milaza fanantenana sy fifaliana. Raha hiraina any an-tsekoly izany dia hanakaiky hatrany an’Andriamanitra ny mpianatra ary hanakaiky ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminy koa izy.HAT 255.1

    Tahaka ny ampahan’asan’Andriamanitra ihany ny hira, toy ny vavaka ihany, dia asam-piderana izany. Ankoatra izany, betsaka ireo hira vavaka. Raha toa ka hazavaina sy ampianarina tsara ny ankizy izany dia ho raiki-pitia amin’ny dikan’ny teny ambarany amin’ny hira izy ary ho mora handray ny hery avy amin’izany.HAT 255.2

    Rehefa hoentin’ny Mpanavotra ho any amin’ny mandrakizay isika, ny zavatra rehetra hazavain’ny voninahitr’Andriamanitra dia afaka hidera sy hisaotra Azy amin’ny alalan’ny hira masina ary hanodidina ny seza fiandrianany; hahatsapa ho eo akaikin’ny mpihira masina ny fon’ny tsirairay rehefa ren’ny tokantrano ny akon’ny hira. Dieny etỳ no ianarana midera an’Andriamanitra. — Ed, tt. 161-168.HAT 255.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents