Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mameno ny Fepetran’ny Fanompoana

    Ireo izay miezaka ho tonga mpiara-miasa amin’Andriamanitra, manangona amin’ny fo tokoa izay hoentina hozaraina, dia handray fahazavana tsy tapaka avy amin’Andriamanitra ary ho tonga fantson’ny fifandraisana. Raha manao tahaka an’i Daniela ny tanora zazalahy sy tanora zazavavy rehetra, ka mampifanaraka ny fahazarany, ny filany ary ny firehetany rehetra amin’izay takin’Andriamanitra, dia ho mendrika ho amin’ny asa ambony kokoa izy ireo. Esoriny ao an-tsainy izay zavatra tsy misy tombam-bidy sy maivamaivana. Ariana ireo fahadalana sy fironana amin’ny fitiavana zava-poana, tsy hanan-toerana ao amin’ny fiainana sy ny fanandraman’ireo izay mivelona amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, mihinana ny nofony sy misotro ny rany.HAT 28.2

    Ho hitan’ireo fa na eo an-tanany aza ny tombontsoan’ny fianarana norantovina rehetra, dia mety tsy hahomby ihany hahazoana ny fanabeazana haha-mendrika azy amin’ny asa ao amin’ny tanim-boaloboky ny Tompo izany. Tsy afaka hiditra hiasa ho an’ny Tompo izy raha tsy ananany ny fepetra takina dia ny toe-panahy hendry. Raha atodiny amin’ny fahafinaretana sy ny lalao ny saina sarobidy izay tokony hohatanjahina amin’ny tanjona mendrika, dia handemy ny hery nomen’Andriamanitra izy, ary dia ho meloka eo anatrehany, satria tsy nahomby tamin’ny fanatsarana ireo talentany tamin’ny alalan’ny fampiasana azy.HAT 28.3

    Fanalam-baraka an’Andriamanitra ny toe-panahiny botry kely. Mandoto sy manimba ny sain’ny namany izy. Amin’ny teniny sy ny ataony dia mampirisika tsy firaihana amin’ny zavatra masina izy. Tsy ny fanahiny ihany no tandindomin-doza fa ny ohatra asehony dia ratsy ho an’izay mifampikasoka aminy. Tena tsy afaka ny haneho an’i Kristy izy. Mpanompon’ny ota, tsy mitandrina, manjehy ny andro ho lava, ary adala, mampihahaka ny hafa miala amin’i Kristy.HAT 29.1

    Tsy afaka miara-miasa amin’Andriamanitra ireo izay mionona amin’ny fikendrena ambany. Amin’ireo izay mamela ny sainy hivaona any amin’izay alehany raha tsy ambenana no anaovan’i Satana soso-kevitra mandrendrika ny saina hany ka voaofana miaraka amin’ny tafiny ireo hamitaka ny fanahy hafa. Afaka milaza hoe: mpivavaka izy, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra.HAT 29.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents