Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Miaraka amin’ny Mpitendry Zava-manenon’ny Lanitra

    Rehefa mihira amin’ny fanahy sy fo ny olombelona, ireo mpihiran’ny lanitra koa dia mba manao hira fankasitrahana sy fisaorana miaraka amin’izany. Narotsany amintsika ny fanomezam-pahasoavana rehetra mba hahatonga antsika ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra, eny, ho mpanompony hanolokolo ny feony mba hitenenany sy hihirany amin’izay hahazoan’ny rehetra izany. Tsy ny hira mikorontana no ilaina fa ny fiventesana izany milamina tsara, ny fanononana ny tonon-kira mazava tsara sy mora azo. Aoka horaisin’ny tsirairay ny feony mba hihirany fiderana ho an’Andriamanitra amin’ny feo malefaka sy milamina tsy mandratra ny sofina. Ampiasao ho voninahiny izany fanomezam-pahasoavana nomeny anao izany.HAT 256.3

    Rehefa misy fivoriana dia mifidiana olona vitsivitsy hanafana ny fotoana amin’ny alalan’ny hira. Aoka ho hira arahin java-maneno milamina sy mirindra tsara. Tsy tokony hesorina ao amin’ny asantsika ny hira arahin-java-maneno. Misy ampahany ao amin’ny asan’Andriamanitra tokony hotanterahina amim-pahendrena: tsy inona izany fa ny fiderana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hira.HAT 257.1

    Tsy tokony hohararaotina ny hira rodobe. Raha azo atao aoka ny mpivory rehetra mihitsy no handray anjara amin’ny hira. - Testemonies for the Church, b. 9 tt. 143-144.HAT 257.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents