Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Harena any an-Danitra

    Tokony hamaka tsara ao am-pontsika mandrakariva ny asan’Andriamanitra. Ny fahazavan’ny fahamarinana izay hiparasaka eo amin’ny tsirairay avy amin’ny fianakaviana, rehefa misy fifandraisana ety eo amin’ny ray aman-dreny, ary koa ireo fianakaviana any ivelany dia ho afaka hanovo fitahiana amin’ny alalan’izy ireny. Kanefa i Jehôvah efa niteny fa rehefa hararaotina ho amin’ny fitiavan-tena ny asa izay mifono ny fahatsarana tanterak’Ilay Tsitoha dia ho ozona ho an’ny tena izany. Andriamanitra no tompon’ny teny voalohany. Noho izany dia manana adidy amin’ny mahantra sy ny ory isika. Tsy tokony hamaivanina ny lanjan’izany, na toy inona na toy inona mety ho vidin’izany.HAT 267.2

    «Mba asian-kanina ao an-tranoko”. Tsy maintsy mahonon-tena isika amin’ny zavatra rehetra: amin’ny fihinana sy amin’ny fisotro ary amin’ny fitafy. Tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina mandrakariva fa hadinin’Andriamanitra isika amin’ny zavatra rehetra nankinina amintsika eo am-panorenana sy eo am-pampitaovana ny tokantranontsika, tsy hoe amin’ny ampahafolony ihany fa amin’ny fanomezana sy ny fanatitra ihany koa. Maro ny olona no mihary harena any an danitra raha tiany izany, eo am pamahanana ny tranon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny ampahafolony izay efa atokan’ireo manolo-tena manolotra izany.HAT 267.3

    Ireo izay mahatoky sy maniry hahafantatra izay andrasan’ Andriamanitra amin’izy ireo eo amin’ny fampiasany ny fananany dia tokony handalina izay voalazan’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Soratra Masina mikasika ireo fitsipika napetrak’i Kristy, dia Ilay Mpitarika tsy hita maso nitarika ny zanak’Isiraely nandritra ny dia lavitra tany amin’ny tany efitra, nitarika ireo olony ireo hanaja sy hanome voninahitra Azy. Tokony ho sahy hiatrika ny fahasorenana maro samy hafa isika mihoatra ny fahasahiana handroba an’Andriamanitra amin’ny ampahafolony sy ny fanatitra izay anjara tokony ho fananany. Ireo izay mamaky amim-pahalianana sy amim-pinoana ny Baiboly dia tsy hatahotra hanakatra izay tian’Andriamanitra hampianarina ny amin’izany.HAT 268.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents