Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanoloran-Tena ho an’Andriamanitra

    Ianaro ny leson’ny fanoloran-tena ary ampianaro ny zanakao izany. Ireo rehetra azo vonjena avy amin’ny fanoloran-tena sy ny fandavan-tena no tena ilain’ny asa amin’izao androntsika izao. Misy ireo ory tokony hampifalina, ireo mitanjaka tokony hampitafina, ireo noana tokony hovokisana, tokony hozaraina amin’ireo izay tsy mahalala ny fahamarinana (...)HAT 274.3

    Vavolombelon’i Kristy isika ka tsy tokony handany ny fotoantsika amin’ny fandanilaniam-poana izay ankamamian’izao tontolo izao na hanakona ny fijerintsika amin’izay anirahan’ny Tompo antsika voalohany indrindra amin’izao fotoana izao. «Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany» -Mat. 6:33. Nanankina asa goavana tamintsika tokoa i Jesôsy ary niteny toy izao: «Raha misy olona ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy”, «lzany no ahafantarana fa mpianatro hianareo» -Jao. 15:28. Tamin’ny fanoloran-tena sy ny fitiavana no niasan’i Jesôsy mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Nankatò hatramin’ny farany Izy, eny, niafara tamin’ny fahafatesana aza, fahafatesana amin’ny faratampon’ny fahafaham-baraka teo amin’ny hazo fijaliana. Dia ho sahintsika ve ny tsy hanana fanoloran-tena amin’izany? Tsy mba ho sahy hanolo-tena hijaly toa azy ve isika? Tokony ho retsika hampandray anjara antsika amin’ny fahoriana nihatra taminy izany ka hahatonga antsika hanolo-tena sy hanokan-tena hanao ny asany. Tokony ho vonton’ny fitiavany ny fontsika ho setrin’izay nataony tamintsika.HAT 274.4

    Hahery vaika ny hiparitahan’ny hafatra raha toa ireo izay mahafantatra ny fahamarinana no manaiky sy manolo-tena araka izay lazain’ny Tenin’ Andriamanitra. Hihaino dia hihaino ny vavaky ny fiovam-po ataontsika tokoa Andriamanitra. Hanaparitaka ny fahazavan’ny fahamarinana ny olon’Andriamanitra, hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ireo tsy mino rehefa mahita izany. -RH, 01 Des. 1910.HAT 275.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents