Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Adidy sy Fandavan-Tena

    Taorian’ny nahitako ireny sary marobe tany amin’ny fianakaviana maro novangiana sy toerana maro samy hafa ireny no nanairan’ny Tompo ahy hampitandrina ny vahoakantsika hanohitra ny devoly. Izao no tokony hataontsika hahitantsika fitia eo imason’ Andriamanitra: tokony hesorintsika tsy ho eo imasontsika ireny sary sampintsika ireny. Tsy misy tsara mihitsy entin’ireny ho antsika: mahatonga elanelana ho an’ny fanahintsika sy ny an’Andriamanitra ireny. Tsy mampisy vokatra tsara eo amin’ny famafazana ny voa tsaran’ny fahamarinana izany. Miantso ireo mpanaraka azy i Kristy mba hitafy ny fiadian’Andriamanitra amin’izany.HAT 278.3

    Ireo sekolim-panabeazantsika dia tokony hahafantatra ny hery miasa manginan’ny Fanahin’i Jehôvah. « Raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona » -Mat. 5:13. Ireo mpampianatra sy mpanabe any amin’ny sekolintsika sy ny tobim-pahasalamana tsirairay avy any dia tokony hanana foto-kevitra ambony amin’ny fanoloran-tena. Manaraka izany, ireo mpianatra miofana ho tonga misiônera dia tsy maintsy miaina ny atao hoe fiainam-panoloran-tena.HAT 279.1

    Mpitantam-pananan’ny Tompo isika: « ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky » -1 Kôr. 4:2. Mila fitandremana fatratra ny fampiasana ireny vola nomen’Andriamanitra hotantanintsika ireny. Tsy maintsy fampitomboana amin’ny fomba feno fahombiazana tanteraka no ampiasantsika ireny talenta nomena antsika ireny ka rehefa ho tonga ny Tompo dia haverintsika Aminy miaraka amin’ny tombony izany talenta izany. - RH, 13 Jona 1907.HAT 279.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents