Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 107 — Tokantrano Kristianina

    Na iza na iza milaza ny tenany ho tia an’Andriamanitra dia tokony hanorina alitara ho an’i Jehôvah eny amin’izay rehetra alehany sy ananganany ny lainy, dia toy izay efa nataon’ny patriarka. Raha misy fotoana tokony hahatonga ny trano tsirairay avy ho trano fivavahana, dia izao fotoana izao indrindra no izy Ry ray sy reny, asandrato matetika mankany amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fivavahana ny fonareo; manaova fangatahana na ho anareo izany na ho an’ny zanakareo. Ianareo ray, ianareo no mpisoron’ny fianakaviana, ka manatera marain-tsy hariva fanati-pisaorana eo amin’ny alitaran’i Jehôvah. Ianareo reny, miraisa amin’ny vadinareo sy amin’ny zanakareo mba hiantso sy hidera ny Mpamorona. Ao amin’ny tokantrano toy izany no irin’i Jesôsy honenana.HAT 283.2

    Raha izany, dia hisy hery masina avy ao an-tokantranonareo, hanjaka sy hivelatra ao, amin’ny alalan’ny fifanajana sy ny hatsaram-panahy; ny fahaiza-miaina tsy misy fitiavan-tena, ny tena fitiavana. Ho maro anie ny tokantrano izay ho tia ny hanompo an'Andriamanitra, ka hivelaran’ny tena fitiavana marina, dia ireo tokantrano hampakatra marain-tsy hariva vavaka, izay toy ny fofo-manitra eo anatrehan’Andriamanitra! Izany fivavahana izany dia hidina eo aminy indray, ka hitondra andom-pahasoavana sy fitahiana ho azy.HAT 283.3

    Ny tokantrano kristianina izay anolokoloana izany idealy izany, dia ho tonga vavolombelon’ny herin’ny fivavahana kristianina, izay tsy hain’ny tsy mpino lavina. Hiharihary izany hery izany, dia hery miasa hatrao am-pon’ny ankizy ary izany no alitara haorina ho an’Andriamanitr’i Abrahàma. PM, tt. 135, 136.HAT 284.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents