Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 108 — Fahatokiana amin’ny Asa atao ao an-Tokantrano

    Ny asa ambony indrindra fidin’ny tanora dia ny hahatonga azy ao an-tokantranony ho fitahiana ho an’ny ray aman-dreniny, ho an’ny iray tampo aminy amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fitiavany sy ny amin’ny fanasoavany azy ireo. Hanadino ny tenany sy hanana fanoloran-tena feno izy ireo rehefa miasa ho an’ny hafa sy mikarakara azy ireny. Tsy misy vehivavy ka ho latsa-danja na hambanina amin’ny fanaovana izany asa masina sy ambony indrindra izany. Inona no hery miasa mangina ka tsy hampitainy amin’ireo iray tampo aminy! Hitarika ireo rahavaviny sy anadahiny hanao toetra tsara mandrakariva izy vokatry ny fahafantarany ny fitondran-tena tsara ananany.HAT 284.2

    Ny vavaka ataony, ny hatsaram-panahiny, ny fitiavany dia hery lehibe entiny ho ao an-tokantranony. Ry rahavaviko, tsy ho tafitanao velively amin’ny manodidina anao izany raha toa ka, voalohany indrindra, tsy hita ao aminao izany toetra masina izany. Ny fampifaliana ny saina, sy ny fitiavana ary ny hatsaram-panahy no ho tanamasoandro ao am-pon’ny tsirairay izay haneho taratra ny toetrao. Rehefa tsy manjaka ao am-ponao i Kristy dia tsy hisy afa-tsy fampalahelovana ary fanabantiana ny saina ny fiainanao. Ny fitiavan -tena no hanery antsika hibaiko ny hafa vokatry ny tsy fananantsika faniriana hampifaly sy hanome ny hafa (...)HAT 284.3

    Tsy ady lehibe na asa goavana irery ihany no mila herim-po sy fanahy. Ady isan’andro miaraka amin’ny fanandramana entiny ary mazana aza mahatonga fahakiviana ny fiainantsika. Ireny asa madinidinika atao isan’andro ireny no hahatonga faharetana sy hery ho an’ny saina. Mila fahatokian tena sy fahaiza-manao mba hihoarana ireny zava-tsarotra manoloana ireny. Angataho ny Ray ho eo anilanao amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainanao ka hampahery sy hanohana anao mandrakariva Izy. - TFC, b. 3, tt. 80, 81 HAT 285.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents