Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Teny Maloto

    Fahadisoana tsy misy ohatra izany ny fanaovana teny mahery ao an-tokantrano satria mahatonga fahatezerana ho an’ny hafa izany. Mivoaka manaraka izany ireo teny feno valifaty, teny feno fanamarinan-tena, teny mavesatra ary teny mampalahelo ary mandratra ny ankilany; ireny teny mangidy rehetra ireny dia mampidi-doza ho an’ny fanahy.HAT 285.3

    Ireo zatra manao teny toy izany dia hahatsapa fahamenarana, ny hahatonga fahafaham-baraka ho an’ny tenany izany fitondran- tena maloto izany; ny famelana ny tena hiaina anaty fahatezerana dia hahatonga nenina bevava ary fanindronan’ny eritreritra mafy indrindra ho azy. Aleo lavitra manao fanahy iniaina tsy manonona teny mihitsy mandritra ny fotoana toy izany. Aleo lavitra manana fo ikorianan'ny menaky ny fahasoavana, mandefitra ny fahatezeran’ny andaniny miaraka amin’ny fahalemem-panahy sy ny faharetana kristianina.HAT 285.4

    Handray ny teny fikasan’ny Avo ianao rehefa mahatanteraka izany fepetra izany ary tsy hitroatroatra vokatry fahakiviana noho ny fakam-panahy sy ny ratsy manafotra anao ianao. Tsy hisalasala sy halahelo koa anefa ianao fa nandresy.HAT 286.1

    Tsy afaka mamaky ny saintsika i Satana kanefa fantany sy hitany avokoa ny fihetsika asehontsika sy ny ataontsika rehetra. Ny fanandramana efa niainany ela no ahaizany maminavina sy mamantatra ny fakam-panahy mety hampahalavo antsika tsirairay avy araka izay toetra mampahalemy antsika. Indrisy, mampalahelo indraindray fa avelantsika ho fantany ny tsiambaratelon’ny fandresena! Raha mba fantatsika mantsy fa mila mifehy ny fihetsika asehontsika sy ny teny lazaintsika isika. Hanao ahoana ny herintsika raha avy ny andro hampahamenatra antsika rehefa hiseho eo anatrehan’ny fitsarana vokatry ny teny nolazaintsika isika? Amin’izay andro izay dia avela hiharihary toy ny vay an-kandrina eo anatrehan'Andriamanitra tokoa mantsy ny maha-loza ny teny ataontsika ankehitriny. — The RH, 27 Feb, 1913.HAT 286.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents