Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fandrosoana Isan’andro

    Asan’ny tanora ny handroso isan’andro. Hoy Petera: «Amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.»HAT 31.3

    Tsy hatao eo anoloan’ny mason’ny sainao ireo dingana tsirairay ireo, ka hisaina rehefa hanomboka; fa handroso ianao, ny maso mibanjina an’i Jesôsy, mifantoka amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Tsy ao anatin’ny indray andro akory ianao no hahatratra ny fahafenoan’ny toetr’i Kristy, ho rendriky ny famoizam-po ianao raha mijery ny fahasarotana izay tsy maintsy atrehina sy resena. Hifanehatra amin’i Satana ianao, fa hitady ny famitahana azony atao rehetra izy hisintonana ny sainao hiala amin’i Kristy.HAT 32.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents