Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fankatoavana ny Ray aman-dReny

    Manao izay tratry ny heriny ny ray aman-dreny hanomezana ny tombontsoa rehetra ho an’ny zanany mba hanoloran’ny ankizy ny fony ho an’Andriamanitra. Kanefa mety handà ny handeha amin’ny lalan’ny fahazavana ny tanora ka tsy hankatò ny ray aman-dreny amin’ny alalan’ny fitondran-tena ratsy ary tsy manaiky ny lalam-pamonjena atolotra azy ireo.HAT 291.3

    I Satana no maka fanahy ny ankizy handala ny lalam-pahotana ary tsy hankatò. Rehefa manaiky hanjakany ny zaza dia ho babony tokoa ny fiainany manontolo, very ny famonjena, ary rasarasainy toy ny mandrasarasa amin’ny sabatra ny fon’ny ray aman-dreny ka tsy afaka hitraka intsony satria very ny ho anjaran’ny zanany ary hikomy amin’Andriamanitra izy ireo (...)HAT 291.4

    Rankizy sy tanora malala, amin’ny anaran’i Kristy, mangataka aminareo aho mba handeha amin’ny fahazavana ianareo. Milefera eo ambany sitrapon’Andriamanitra. Rehefa mitarika anao hanao ratsy ireo mpanota, aza miray hevitra aminy. Mandehana amin’ny lala-marina fa hiadana ianao. Hahamenatra ny ray aman-dreninao ny fitondran-tena adala ataonao ary hanala baraka ny anaran’i Kristy izany. Aoka hotadidinao mandrakariva fa voasoratra anaty boky any an-danitra avokoa ny fiainanao rehetra ary hovelarina eo anatrehan’izao rehetra izao. Hevero fa hahamenatra, hampitondra nenina anao mandrakizay ary tsy hahasambatra anao ny ho fahaverezanao! «Miverena hianareo hihainoanareo ny fananarako; indro, haidiko aminareo ny fanahiko, ary hampahafantariko anareo ny teniko (...) Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho, dia vao hitady Ahy izy fa tsy ho hitany Aho (...) Fa izay mihaino Ahy kosa tsy manana ahiahy, eny handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy” -Ohab. 1:23,28,33. Raiso ny fananarana atolotry ny Tompo. «Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina » -Jao. 12:35. - YI, 10 Aog. 1893.HAT 292.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents