Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 114 — Tanora Zazalahy Miatrika Adidy

    Misy ny tovolahy no manao tsinontsinona ny adidy ao an-tokantrano. Tsy mba nianatra ny hanao izany adidy masin’ny fianakaviana izany izy. Manana reny mahatoky izy izay manana fandavan-tena manao ny asa ao an-tokantrano kanefa dia tsy tokony havelan-janany hanao izany izy. Vokatr’izany: tsy mba manaja ny reniny izy, tsy mba mandray anjara amin’ny adidy ataon’ny rainy ihany koa. Avelany ho an’ny ray aman-dreny irery ny adidy aman’andraikitra rehetra. Vokatr’izany: tsy misy ny fanajana azy ireo.HAT 296.1

    Maneho toe-tsaina tia tena sy tsy mandray anjara amin’ny adidy sy andraikitra ary ny enta-mavesatra ao an-tokantrano izy ireny, kanefa ireny no adidy masina tsy maintsy atao mba hampahomby ny fiainan-tokantrano. Tsy azony mihitsy ny hoe tsy maintsy mandray andraikitra amin’ny zava-bitika indrindra izy ireo; tsy tsapany hoe tsy maintsy manao izany adidy izany izy ireo manoloana ny ray aman-dreniny, tsy maintsy mahatoky sy mahatsapa tena amin’ny fanatanterahana izany adidy izany izy ireo. Tsy mba mianatra ireo zavatra madinidinika kanefa tena ilain’ny fiainana ihany koa izy ireo.HAT 296.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents