Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fihaingoana Masina

    Maro ireo manakivy ny tenany amin’ny fieritreretana fa ny fisehoana tsara sy mampifaly no fomba hisarihany ny fijerin’izao tontolo izao ho eo aminy. Kanefa ireny dia endrikendrika ivelambelany fotsiny ihany ary mandalo izay tsy azo ianteherana akory. Ny fihaingoana ampianarin’ny Tompo ny mpianany dia fihaingoana tsy matromatroka sy tsy miovaova. Hoy i Jesôsy: «Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-holamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra » - 1 Pet. 3:3,4.HAT 300.3

    Raha toa ny antsasaky ny fotoan’ny tanora no natokany tamin’ny firavahana ivelambelany fotsiny ihany ary ny antsasany ho amin’ny toetra anaty, ho toy inona moa ny ho fahasamihafana ho hita eo amin’ny fitondran-tena, amin’ny fiteny ary amin’ny fihetsika! Ireo izay tena mitady an’i Kristy amin’ny fony dia hanana fomba fieritreretana hampifanaraka mandrakariva ny fihetsiny amin’ny sitrapon’ny lanitra. Ireo vola fandanilany taloha tamin’ny fisehoana ivelambelany toy ny fitafy dia hatokany ho amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra ary mba hianarany izay ilaina mba hahafahana manome azy ireo ny toeram-pitokiana. Hitady mandrakariva ny hanao izay anirahan’i Jesôsy azy Izy, Ilay nividy azy tamin’ny tombany lafo indrindra.HAT 301.1

    Rankizy malala, ry tanora malala, manao izay tratry ny heriny rehetra i Kristy manomana toerana any an-danitra any ho an’izay tia azy sy manao ny asany etỳ an-tany. Nilaozany ny lanitra ka tonga tetỳ amin’ity tany feno ota ity Izy, tonga teto amin’ny vahoakany izay tsy mba nankasitraka Azy na kely akory aza, izay tsy tia ny fahamasinany sy ny fahadiovany, izay nandà ny fampianarana nomeny ary farany izay namono azy tamin’ny fomba mahatsiravina indrindra. «Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay » - Jao. 3:16.HAT 301.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents