Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fisehoana Ivelany

    Tian’Andriamanitra raha manolotra koa isika ho solon’ny fanatitra nataony ho antsika. Tiany ianao ho Kristianina, tsy anarany fotsiny, fa amin’ny fihaingoana sy ny fiteny. Tiany ianao hanao fihaingoana mendrika, fa tsy miravadravaka be, feno zaijaitra be tsy dia ilaina akory Tiany ny fomba fiakanjonao mba hisarika ka hankasitrahan’ny fijerin’ny lanitra. Moa ve dia ho sahinao ny hamitaka Azy amin’izay andrasany aminao?HAT 301.3

    Matetika ny fisehoana etỳ ivelany no mamaritra izay toetra anaty; tsy maintsy mitandrina fatratra isika amin’izay arantintsika etỳ ivelany mba hovakin’izao tontolo izao sy hahafantarany ny amin’ny finoantsika. Tianay fatratra raha mba ho ankizy mpanaraka an’i Jesôsy ianareo, ho mpankatò ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra. Tianay tokoa ianareo mba ho tsara endrika eo imason’Ilay Mpamonjy anareo ka hitady fatratra izay hahatsara ny fihaingoanareo anaty. Eny, ho isan’andro isan’andro, miaraka amin’ny fanampian’i Jesôsy, dia ho resinareo ny «izaho» ao aminareo. Ny fahatsarana sy ny fahatsoram-pitiavana no hampirisihana anareo isam-potoana. Ary dia ho miaramila mahatokin’i Kristy hianareo.HAT 302.1

    Miaina amin’ny fotoana mahatahotra isika ankehitriny, izay andavan’ireo izay milaza azy ho tia an’Andriamanitra sy manao ny asany kanefa mandà azy amin’ny fitondran-tenany isan’andro. « Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra kanefa mandà ny heriny; ireny koa dia halaviro » -2 Tim. 3-5. Ry tanora malala, tsy ankasitrahan’i Jehôvah raha ao anatin’ireo kilasy ireo ianao. Fa ny Tenin’Andriamanitra kosa dia mampianatra anao hahazo ny fandresena farany (...)HAT 302.2

    «Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy » -Apôk. 12:11a. «Ary tamin ‘izay izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany» -Mal. 3:16.HAT 302.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents