Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 9 — Mpiombona Antoka amin’ Andriamanitra

    Afaka manao mihoatra noho izay azon’ny tananao atao ianao. Ny olona, araka ny fampiasan’Andriamanitra ilay teny, dia zanak’Andriamanitra. «Ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.” Tombontsoa ho anao ny mandao izay tsy misy vidiny sy ambany, ary dia misandratra ho amin’izay faritra ambony, -hohajain’ny olona sy ho tian’Andriamanitra.HAT 33.1

    Ny asa masina izay nomen’Andriamanitra hataon’ny tanora, sy nomena ny olona nandritra ny vanim-potoana rehetra, dia maneho ny fanajany azy ireo amin’ny maha-zanany azy. Nomeny azy ireo ny asa hizakany tena. Niantso azy ireo mba hizara aminy ny asa lehiben’ny fanavotana sy fanarenana Izy. Tahaka ny ray mandray ny zanany hiara-miasa aminy no iantsoan’ny Tompo koa ny zanany ho mpiara-miombona antoka Aminy. Natao ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika. Hoy i Jesôsy: «Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin ‘izao tontolo izao no mba nanirabako azy kosa ho amin ‘izao tontolo izao.» Tsy irinao ve ny ho zanak’Andriamanitra toy izay mpanompon’i Satana sy ny ota, manana ny anaranao voasoratra ho toy ny fahavalon’i Kristy?HAT 33.2

    Mila ny fahasoavan’i Kristy amin’ny fahafenoany ny tanora zazalahy sy zazavavy mba hiaina ny filamatra kristianina eo amin’ny fiainany andavanandro. Ny fiomanana ho amin’ny fiverenan’i Kristy dia fanomanana ireo toetra tsara indrindra rehetra ao amin’i Kristy.HAT 34.1

    Tombontsoa ho an’ny tanora tsirairay ny hanangana ny toeny ho toy ny rafitra tsara tarehy. Ilaina anefa ny mitoetra akaiky an’i Jesôsy. Izy no tanjaka sy fahombiazana ary hery ho antsika. Na dia minitra iray aza dia tsy afaka miantehitra amin’ny herintsika isika...HAT 34.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents