Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 118 — Fitafiana sy Toetra

    Noharina amin’ny sira fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao ireo mpianatr’i Kristy. Ho levona amin'ny fahalovana ity izao tontolo izao ity raha tsy misy hery miasa manginan’ny famonjena avy amin’ny Kristianina. Kanefa mba diniho ange ireo Kristianina manao tsinontsinona ny fitafiany sy ny maha-izy azy, izay tsy miraharaha akory ny fomba fitafiny sy ny fisehony, maivana, tsy manaja fa mahatahotra ary maniratsira amin’ny fiteny kanefa mihevitra ireo fahadisoany ho tena fanetren-tena sy mampilaza azy fa tena izy no Kristianina. Dia heverinao ve fa raha mbola tetỳ an-tany ny Tompo dia nanondro azy ireny ho sira fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao? Sanatria dia sanatria izany!HAT 303.4

    Tokony hisy fahamboniana manokana ny firesaka kristianina, ka izay rehetra heveriny ho manao fandokafana adala azy dia fahotana avokoa. Tsotra sady marina ny teny rehetra avoaky ny vavany. Mahatoky avokoa ny teny rehetra lazainy amin’ny rahalahiny eto amin’izao tontolo izao. Tsy mihoatra ny mety mihitsy ary tsy manao fampisehoana izay fomba fitafiny izy, tsotra, tsy manaitra ny maso, mendrika kanefa manaja sy manaingo azy izany. Mitandrina fatratra ny amin’ny fitafiny izy indrindra rehefa Sabata sy ny fotoana fiankohofana amin’Andriamanitra rehetra.HAT 304.1

    Misy marika mampiavaka mazava mampisaraka ny Kristianina toy izany amin’izao tontolo izao. Misy hery miasa mangina tafita avo folo heny aonan’ny fanekeny ny fahamarinana, ialany avokoa rehefa fitafy jilajila sy maivamaivana rehetra; raha toa ka mandray ny fahamarinana manandratra sy manamasina kosa dia tena handray ny fahadiovan’ny fitondran-tena sy manara-dalàna ary misy endrika eo amin’ny fomba fitafiny. Ny Andriamanitsika dia Andriamanitra manara-dalàna, tsy manaiky ny fanaovana tsinontsinona sy ny fahalotoana na izay endrika fahotana.HAT 304.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents