Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fifandraisana amin’ny Lamaody

    Tsy tokony hanao fampisehoana eo amin’ny fomba fitafy mitovy amin’izao tontolo izao ny Kristianina. Na izany aza, raha toa ny fiahiahiany hampifanaraka ny fomba fitafiny amin’ny finoany sy ny fitsipi-piainany ary ny fahasalamany no manelingelina azy hirona ho amin’ny fitiavana lamaody, dia tsy tokony ho voatarik’izao tontolo izao mihitsy izy ka hirona amin’izany. Tokony hanao izay tsara indrindra miaraka amin’ny fahamboniana manokana ary herin-tsaina lehibe izy na dia hioko aza izao tontolo izao. Azontsika atao ny mampifanaraka ny fomba fitafintsika amin’ny an’izao tontolo izao izay tsy hampiova mihitsy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra na aminy raha toa ka mendrika, mihaja, mahasalama ary mifanaraka amin’ny Baiboly izany. Tokony hanaraka sy haka tahaka an’i Kristy ny mpanara-dia Azy, toy izany koa eo amin’ny fomba fitafy dia tokony hifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Aoka hialana ny fakana tendrony. Tokony handeha mahitsy mandrakariva izy ireo, tsy misy fandokadokafana sy fanomezan-tsiny, aoka hifikitra mandrakariva amin’ny tsara araka ny tombam-bidy nomena azy. - RH, 30 Jan. 1900.HAT 304.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents