Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitsitsiana ny Fitafiana

    Tsy tokony ho lafo vidy ny fitafiantsika, tsy vita amin’ny volamena, na amin’ny perla, na amin’ny kilasy ambony. Fananana nankinin’Andriamanitra amintsika hotantanintsika ny vola. Tsy nomena antsika amin’ny fanaranam-pontsika amin’ny avonavona sy ny hambom-po izany. Sakafo ho an’ny noana sy fitafiana ho an’ny mitanjaka no antony nanomezana azy eny an-tanan’ny zanak’Andriamanitra. Natao hanafahana ny ory, hanasitranana ny marary izy ireny, hitoriana ny filazantsara amin’ireo tsy mahalala. Azonao atao ny mitondra fahasambarana ho an’ny fo maro amin’ny fampiasana amim-pahendrena ny vola izay ampiasainao amin’ny fampisehoana akanjo ankehitriny! Diniho ny fiainan’i Kristy, ianaro ny toetrany ary mandraisa anjara amin’ny fanoloran-tenany.HAT 305.2

    Amin’ny alalan’ireo vola lanin’ny Kristianin’izao tontolo izao amin’ny firavaka sy ny akanjo lafo vidy loatra, dia misy olona noana tokony hotohanana ara-tsakafo sy mitanjaka tokony hampitafina. Ny lamaody sy ny rendrarendra no mandany ny vola izay tokony hampaherezana sy hanampiana ny mahantra sy ny mijaly. Manakana ny fitaran’ny fitoriana ny filazantsara sy ny fitiavan'Andriamanitra ireny (...)HAT 306.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents