Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Firavahana Anaty

    Moa ve ny mpanara-dia an’i Kristy mihevitra izay hahatanteraka ny firavahana anaty, mba hananana toetra malefaka sy mampiadana izany toetra lafo vidy omen’Andriamanitra, sa ve holanin’izy ireo amin’ny fisehosehoana tsy mahasoa akory ny fotoam-pahasoavana kely mba ananany? Irin’Andriamanitra ny hahita vehivavy malemy fanahy ka mikatsaka ny hampivelatra ny sainy sy ny fanahiny, vonona hitady izay hahasoa ny fiainany sy hahasambatra azy, ka ho fitahiana ho an’izao tontolo izao ary hanome voninahitra ny Mpahary azy.HAT 311.1

    Mba tiako ny tanora milaza ny tenany ho mino ny fahamarinana raha handà ny tenany ka hanolo-tena ho amin’ny fitiavana ny fahamarinana. Raha sendra misy ny faniriana hanao fihaingoana na ny fandravahana ny tena sy ny toy izany, moa ve mba entina eo amin’ny Tompo izany ka angatahana ny Fanahy hampahafantatra raha toa ka ilaina ny hanaovana izany fandaniana izany? Eo am-pikarakarana sy fanjairana ireny akanjo ireny, efa mba noheverina ve sao dia tsy manome voninahitra ny finoana an’Andriamanitra izany? Moa ve mba mangataka ny fitahiana avy amin’Andriamanitra amin’ny fampiasana ny fotoana omeny isika? Fahazarana ny fidirana am-piangonana, fa zava-dehibe sy manokana ny firaisana amin’i Kristy. Ny olona tsy nohamasinina sady mbola tia ny rehak’izao tontolo izao no tena antony lehibe mahatonga ny fiainam-piangonana hitotongana.HAT 311.2

    Mahalasa adala tsy misy toy izany ny fitiavam-pahafinaretana ka ny fandanian-karena sy ny fitobatobahana tsy amim-piheverana no tena mameno ny saina. Adalam-pahafinaretana ny olona. Tonga maivan-tsaina sy mivembena izy ireo satria tsy zatra manao fibanjinana, tsy manara-dalàna ary tsy mianatra. Lasa fahazarana ny fahabadoana sy ny tsy fahafantarana na inona na inona. Tian’Andriamanitra raha mba voakolokolo ny saina, maranitra, ambony ary manandratra. Matetika anefa ny fananana rehetra no lanina amin’ny firavahana sy ny fisehosehoana ary ny fidavam-pahafinaretana. Vokatry ny fitiavan-damaody ho an’ny vehivavy, dia lasa makiana, karakaina ny fanahiny; raha tokony ho fitahiana ho an’ny fiarahamonina izy, dia indrisy fa lasa ozona. - RH,6 Des. 1881.HAT 312.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents