Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 122 — Fitafiana lasa Sampy

    Aretin-tsaina ny fitafiana atao sampy. Tokony hialana avokoa ireny alohan’ny hidirana ho amin’ny fiainam-baovao. Amin’ny lafiny maro no ahitana fa eo amin’ny fanekena ny fahamarinana dia mila fanovana be dia be ny fomba fitafy.HAT 312.2

    Aoka tsy hohamaivanina mihitsy ny fomba fiakanjo. Amin’ny maha-vavolombelon’ny fitiavan’i Kristy antsika dia tokony hahitsy mandrakariva isika mba haneho ny tsara indrindra. Sarotiny amin’ny tsipiriany indrindra Andriamanitra mikasika ny fiakanjoana tamin’ny asa fisoronana tao amin’ny Tabernakely. Milaza amintsika izany fa sarotiny ihany koa izy eo amin’ireo izay manompo Azy. Voafaritra mazava ny torolalana rehetra nomena an’i Arôna satria tena misy dikany ny fomba fiakanjo. Toy izany koa, tokony hisy dikany avokoa ny fiakanjon’ny mpianatr’i Kristy. Ambasadaoron’i Kristy isika amin’ny zavatra rehetra. Ny fahadiovana, ny fahatsorana, ny fahamendrehana, ny fahamaotinana dia samy tokony ho toetra fonosin’ny fomba fitafy. Tsy manome lalana mihitsy ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fanarahantsika lamaody mba hitoviantsika amin’izao tontolo izao. Tsy tokony hanao fitafiana kanto sy be fandaniana ny Kristianina.HAT 312.3

    Mampianatra antsika ny Soratra Masina ny amin’ny tokony hiheverana amim-pahalianana ny fitafiana. Mila mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, eny, fa na dia amin’ny fanafiantsika akanjo ny tenantsika aza. Ireo rehetra manana fo mahatoky, miaina amin’ny fahasoavan’i Kristy dia mahafantra fa tokony hitandrina fatratra ny amin’ny fampianarana nomen’Andriamanitra izy ireo. Na dia ny fisehoana amin’ny akanjo aza dia azo anaovana asa fitoriana. — TFC, b. 6, t. 96.HAT 313.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents