Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manahaka Izao Tontolo Izao

    Araka izay hita manoloana antsika eo am-piatrehana ny fahasimbana amin’izao andro izao, vokatry ny fanarahan- damaody, mba fomba ahoana moa no anarahan’ny Kristianina ny lalana eto amin’izao tontolo izao? Sahintsika ve ny hanaraka toy izany koa? Maro no mirona manaraka ireny lamaodin’izao tontolo izao ireny, satria i Kristy ilay fanantenan’ny voninahitra dia tsy voakolokolo ao amin’izy ireo. Ny kanto sy ny fandanian-karena amin’ny fitafiana no anisan’ny famantarana ny andro farany.HAT 313.4

    Na aiza na aiza dia ahitana ny fireharehana sy ny rendrarendra; ireo izay mankafy mibika tena amin’ny fitaratra dia tsy dia hahay loatra ny handini-tena amin’ny fitaratry ny lalan’Andriamanitra. Samy manapotika ny toetry ny fanetren-tena sy ny hatsaram-panahy ary ny fitiavana ny fanaovana ny fitafiana ho sampy, mandany ny ora masina tokony hanaovana fibanjinana, tokony handinihana ny fo, tokony hianarana amim-pivavahana ny tenin’Andriamanitra. Misy fahitana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay mifono fampianarana sy lesona ho antsika (...)HAT 314.1

    Ny fankamamiana lamaody dia mandany ireo vola nankinin’Andriamanitra tamintsika kanefa tokony hanaovana asa fanaovan-tsoa sy hamindrana fo. Fandrobana an’Andriamanitra avokoa ny fandanilaniana rehetra atao amin’ny tsy antony. Tsy nomena hanaovana sitrapo sy hisehosehoana ivelany fotsiny ireny fananantsika ireny. Tokony ho mpitantam-pananana mahatoky isika, hanafy ny mitanjaka, hamoky ny noana, ary hanolotra ny harentsika amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra. Aoka hotadidintsika mandrakariva raha toa ka da miravaka isika fa ny fahasoavan’ny hatsaram-panahy, ny fanetren-tena, ny fahamendrehana ary ny fahamaotinana dia samy natao ho an’ny tsirairay, na iza izy na iza ao amin’ny kilasin’ny fiarahamonina.HAT 314.2

    Tsy mba tiantsika ve ny ho mpitily mahatoky, sahy mandray andraikitra amin’ny fiteny sy ny fihetsika, amin’ny fanehoantsika ny tsy fankasitrahantsika ireny fandanilaniana foana amin’izao fotoana izao ireny? Tsy mba tiantsika ve ny ho ohatra tsara eo amin’ireo tanora namantsika, ka hanaovantsika ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra na amin’ny fihinana, na amin’ny fisotro, na amin’ny zavatra hafa ihany koa? — RH, 12 Des. 1912.HAT 314.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents