Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitiavana ny Tsara

    Izay rehetra tsara dia tian’Andriamanitra avokoa. Porofon’izany ny asa tsara nataony. Nanao zaridaina tsara tarehy ho an’ireo ray aman-drenintsika tao Edena Izy. Nampaniry karazana hazo maro Izy, mahasoa ary tsara hojeren’ny maso. Ireo voninkazo maro karazana, maro loko, mamerovero aoka izany no nandrakotra ny bolan-tany. Vorona tsara tarehy misiotsioka, mivolon-tarehy maro samy hafa no mihira, midera sy mankalaza ny Mpahary. Nirin’Andriamanitra ho sambatra ny olombelona teo am-pikarakarana izay rehetra noforoniny ho tantanany ary mba ho voky ny voan’ireny hazo tao amin’ny zaridaina ihany koa.HAT 317.1

    Andriamanitra, Ilay nanao ny Saha Edena hitoeran’ireo razambentsika, no manome antsika ihany koa ny hazo lehibe, ny voninkazo mahafinaritra ary ny zavaboary rehetra mba hahasambatra antsika. Ireny zavatra ireny no nomeny antsika mba ho porofon’ny toetrany amin’ny fitiavany antsika.HAT 317.2

    Namboleny ao am-pon’ny zanany ny fitiavana ny tsara. Kanefa maro no namadika izany ho ratsy. Ny zavatra tsara sy ny fahatsarana rehetra izay nomen’Andriamanitra indray no iankohofana, fa hadino tanteraka Ilay Mpanome. Tsy fahaiza-mankasitra toy inona re izany e! Tokony ho fantatsika ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’izay noforonin’ny tanany ho antsika; ho valin’izany kosa, ny fontsika dia tokony hanome amim-pitiavana ny tsara indrindra sy madio.HAT 317.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents