Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 125 — Fitiavana ny Fahafinaretana araka Izao Tontolo Izao

    Tena manaitra ny saina tokoa ny mahita amin’ny kapobeny fa manandevo na dia ny sain’ny tanora aza ny fitiavam-pahafinaretana amin’izao andro izao. Maro no mitondra tena ary manao ny fotoam-pahasoavana ho fotoana lava hilanonana: toy ny nirahina eto amin’izao tontolo izao mba hikorana sy hanao fety. Mahita fahafinaretana eto amin’izao tontolo izao izy ka manao ny fahasoavan’ny Fanahy Masina sy ny momba an’Andriamanitra ho toy ny zava-baovao. Maro amin’izy ireny no tsy mahalala ary tsy mihevitra akory ny teny avoaky ny vavany, manadino fa indray andro any dia hotsaraina sy hampamoahina ary hohelohina amin’ny teniny izy ireny. Manala baraka ny voninahitr’Andriamanitra izy ireny amin’ny fomba firesaka maivana sy tsy misy dikany ary amin’ny fihomehezana manetry ny tenany (...)HAT 319.2

    Manao izay tratry ny heriny i Satana hitarihana ny tanora amin’ny fahafinaretana ho amin’izao tontolo izao sy hanamarinany ny tenany fa fanalana andro sy tsotra ary tena ilain’ny fahasalamana ny fialam-boliny. Ampianariny ireo tanora ireo fa tena sarotra ny mandeha amin’ny lalan’ny fahamasinana fa ny fiainam-pahafinaretana dia tena lafatra sy kanto ary ravahan’ny voninkazo. Asehony eo anatrehan’ny tanora ireo karazan-doko marevaka, manaitra kanefa ratsy avokoa. Hifarana tsy ho ela anefa ireny fitiavam-pahafinaretana ireny ka samy hijinja izay nafafiny ny tsirairay. Ireo fanirian’ny tena, ny talenta amam-pahaizana, moa ve tsy tokony hatokana ho an’Andriamanitra avokoa izy ireny, ho an'Ilay Tompon’ny fiainantsika isam-potoana?HAT 319.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents