Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 127— Fialam-Boly Mampidi-Doza ho an’ny Tanora

    Fakam-panahy goavana manoloana ny vahoakan’Andriamanitra, indrindra moa fa ny tanora, ny faniriana handanilany ny fotoany amin’ny fialam-boly. Tsy mitsahatra ny mamelatra vela-pandrika eo alohan’ny sain’ny tanora i Satana mba hanintona azy ireo tsy hifantoka amin’ny fiomanana ny amin’ny zava-dehibe ho avy. Ampiasainy ireo zavatra maro samy hafa araka izao tontolo izao hanaitra ny saina amam-panahin’ny tanora hisaintsaina mandrakariva ny rehaka momba izao fiainana izao. Ireo fampisehoana an-tsehatra sy ny vakiteny ary ny fialam-boly misarika ho amin’ny fitiavana izao tontolo izao no mampihena ny finoany.HAT 325.1

    Mpiasa mikikitra sy fahavalo fetsy ary tsy hay toherina i Satana. Kolokoloiny amin’ireo teny tsy voahevitra, ireo fandokafana sy izay teny maro mitarika ho amin’ny fahotana, afafiny amin’ny alalan’ireo, ny voa ratsy mba hamaharan’izany ao amin’ny tena ka hampisy vokatra mahatsiravina. Mpamitaka sy fetsilahy tsy takatry ny saina izy, tena kinga sy mahay. Misy afo mivaivay mananontanona eo aloha, tsy fantatr’izay tsy mitandrina akory. Mirona ho amin’ny fanandratan-tena ny saina. Fomba fisainan’i Satana ny mambosika ao an-tsaina ny toe-tsaina tia fahafinaretana, hany ka tsy misy fotoana intsony hametrahana ny fanontaniana: inona ity ataonao, ry fanahiko?HAT 325.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents