Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fotoana Mampahonena

    Miaina anaty fotoan-tsarotra ho an’ny tanorantsika tanteraka isika. Manana fironana mandrakariva amin’ny hamelana ny tanora hanao izay danin’ny kibony sy izay heveriny fa mety isika. Raha tsy manara-dalàna ny zanatsika dieny eo amin’ny fahazazany, dia mazàna isika ray aman-dreny no mihevitra fa rehefa lehibe izy ireo dia hiova ka ho tsara fitondran-tena ary ho tonga lehilahy sy vehivavy ilain’ny fiarahamonina! Fahadisoana goavana! Nandritra ny fotoana maro no namelany ny fahavalo hanolokolo voa ratsy tao an-tsainy, navelany haniry sy hanjaka ao aminy ny fironan-dratsy, ka tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy amin’ireo loza miafina sy ny mampahatsiravina izany eo amin’ny lalany izy ka tsy fantany intsony ny lalana mitondra ho amin’ny fahasambarana. Vokany, tsy afaka ny hanao zavatra tsara intsony izy ireo any aoriana sady tsy misy fiantraikany aminy intsony izay heverina ho fanovana!HAT 325.3

    Amin’ny kapobeny no ahitana fa tena ambany dia ambany tokoa ny fianam-panahin’ny Kristianina; kely dia kely ny taha tsy hanarahan’ny tanora ny toetr’izao tontolo izao. Ny ankabeazan’ireo milaza azy ho Kristianina anarany fotsiny no tsy manana fomba fiainana kristianina akory fa miaina araka izao tontolo izao. Tsy tia sy mankahala ny zava-panahy izy vokatry ny tsy fahafantarany ny fahatsaran’izany. Mitondra anarana kristianina izy mba hohajain’ny olona. Tsy fantany akory fa mila mitondra ny hazo fijaliana izy mba ho tena mpanara-dia an’i Kristy; tsy afaka hanampy azy hiodina tsy hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao ny fivavahany.HAT 326.1

    Mandeha mamonjy alim-pandihizana izy ary mandray anjara amin’ireo fahafinaretana atolotra azy. Misy koa hafa tsy lavitra akory, mamonjy fampisehoana an-tsehatra, ny teatra, sy ny fahafinaretana araka izao tontolo izao ihany koa; tsy misy mampiavaka azy amin’izay tsy mino sy tsy mivavaka.HAT 326.2

    Tsy mora ny mitarika ny zatovo handeha amin’ny lala-marina amin’ny fampianarana azy ireo ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy manam-paharetana ny ankizy, tsy mahari-pery amin’ny fitsipika fa te hanaraka ny sitrapon’ny fony. Mihevitra izy ireo fa mbola afaka manao izay tiany miaraka amin’ireo zatovon’izao tontolo izao raha mbola eo amin’ny folo ka hatramin’ny valo ambin’ny folo taona. Kanefa ny ray aman-dreny manana fanandramana dia mahafantatra fa loza mitatao ho azy ireo izany. Fantany ny toetry ny tsirairay eo amin’ireo zanany; fantany ny ho fiantraikan’izany loza izany eo amin’ny fiainan-janany; tiany tokoa mantsy ny hahavoavonjy ireto zanany ka tsy hisalasala izy ireo hanakana ireto farany handositra ireny fahafinaretana manaitaitra ireny.HAT 326.3

    Toy inona tokoa moa ny enta-mavesatra afaka ao an-tsoroky ny ray aman-dreny raha toa ka manapa-kevitra ny handositra ireny fahafinaretana ny amin’izao tontolo izao ireny ny zanany ka te ho tonga mpianatr’i Kristy! Tsy mbola vita hatreo anefa ny andraikitry ny ray aman-dreny fa mila ny fanampian’izy ireo amin’ny fanomezana torohevitra sy fikarakarana amim-pahamailoana avy aminy ny fitarihana ireto zanany amin’ny fanoloran-tena vao nataony amin’ny ady amin’ny fahotana sy ny fanoherana ny fironan’ny fo ireny.HAT 327.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents