Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fotoan-Tsarotra ho an’ny Tanora

    Hangidy tokoa ny fanandraman’ireo mitandrina ny Sabata kanefa mamela ny tenany hiasan’ny hery miasa manginan’ny toetr’izao tontolo izao. Misy loza hananontanona azy ireo amin’ny andro farany fa tsy hampoiziny izay hanjo azy ao aoriana ao. Ho latsaka anatin’ny fisalasalana sy ny ahiahy izy ireo ary hisy fisedrana mivaivay hahazo amin’ny fahamatoran’ny finoany. Milaza ny tenany ho manaraka an’i Kristy izy ireo kanefa ny fitondran-tenany dia hanome ohatra ratsy ho an’ny namany tsy mino. Tiany mandrakariva ny hampandraisany anjara ny tenany amin’ny fahafinaretana araka izao tontolo izao, toy ny fety aman-danonana sy ny toy izany, kanefa tsy fantany akory ny fahafinaretana izay ataony. Ny fanamarinan-tena amin’ny fitiavam-pahafinaretana toy izany no tena mampanalavitra azy amin’Andriamanitra ary mampahafantatra fa zanak’izao tontolo izao izy.HAT 327.2

    Ny sasany amin’ireo tanora ireo tsy mitsahatra voatarik’izao tontolo izao. Mifanaraka lavitra amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao ny toe-tsainy sy ny toe-pony raha ampitahaina amin’ny an’i Kristy ny fanoloran-tenany. Tsy mahagaga raha toa ka mora mirona amin’izay mahametimety ny fiainany izy ireny. Indrisy anefa fa mamindra toetra amin’ny vahoakan’Andriamanitra izany ary ny mampalahelo indrindra dia ny fitondran’izy ireo ny anaran’ny vahoakan’Andriamanitra ihany koa. Etsy an-danin’izay anefa, manala baraka sy mahamenatra ho an’ny tsy mambra ny toetr’izy ireo ary ho an’ireo malemy finoana ihany koa. Amin’izao fotoam-pikororohana izao no tokony hampisy fiovana mahery vaika eo anivon’ireny Kristianina ireny, ary tokony hahatonga fanamasinana azy eo amin’ny fankatoavany ny fahamarinana. Raha tsy izany dia ho very eto amin’izao tontolo izao izy ireo ary hohelohina.HAT 328.1

    Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ho toy ny Azy ireo tia ny fahafinaretana momba izao fiainana izao. Ireo izay manana fiainam-panoloran-tena, mahatoky sy manetry tena ary manamasina ny tenany no tena atao hoe mpianatr’i Kristy marina tokoa. Tsy hanana fifaliana amin’ny fanaovana resadresaka misavoamboana sy tsy misy dikan’izao tontolo izao izy ireny.HAT 328.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents