Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manalavitra Izao Tontolo Izao

    Fandavan-tena lehibe no miandry ireo tena mpanara-dia an’i Kristy. Aoka hifady ireo toeram-pilalaovana izy ireo satria tsy hahita an’i Jesôsy any izy ireo, na tsy misy hampitodika azy ho amin’ny fankafizana ireo zavatry ny lanitra any ka hampitombo ny fahasoavany. Ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra no hitarika azy ireo amin’ny fandosirana sy ny fisarahana amin’izany.HAT 328.3

    Hoy ny Tompo: «Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy » -Mat. 7:20. Mitondra ny voan’ny voninahitra ny tena mpianatr’i Kristy rehetra. Asehony amin’ny asa tsara eo amin’ny fiainany amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra, ny voan’ny fahamasinana. Misandratra ambony sy masina ny fiainan’izy ireo. Ireo asa tsara no voa tsy mba lo avy amin’ny fahamarinan’Andriamanitra fa izay tsy manana izany fanandramana izany dia mitondra ny anaran’ireo izay tsy mitondra izany voa izany. Tsy miray amin’ny Voaloboka izy ireo amin’izany. Hoy Jesôsy: «Tomoera Amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo raha tsy miray Amiko. Izaho no Voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko ary Izaho Aminy, dia mamoa be izy, fa raha misaraka Amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona ». -Jao. 15:4,5.HAT 328.4

    Tokony hahafoy ny sampiny ireo mpanara-dia an’Andriamanitra rehetra. Niteny tamin’ny mpanao lalàna iray i Jesôsy nanao hoe: «Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao ary ny sainao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany » -Mat. 22:37,38. Ireo didy efatra voalohany ao amin’ny didy folo dia hentitra amin’ny fampanatonana ny fitiavantsika amin’Andriamanitra. Tokony ho tia azy tanteraka amin’ny fontsika isika. Tsy afaka mampandroso ny fanandramana kristianina isika raha tsy manala izay manelanelana antsika Aminy.HAT 329.1

    Ilay Lohan’ny Fiangonana izay nifidy ny vahoakany teto an-tany dia maniry indrindra ny hampiavaka ny Azy amin’izao tontolo izao. Tiany ny hitarika ny sain’ny mpianany amin’ny Herin’ny Fanahin’ny fanapahana, ary manavaka azy amin’ny tontolon’ny jentilisa. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fanapahany dia tsy afaka hifangaro amin’ny fiarahana sy fifalian’izao tontolo izao. Tsy misy na inona na inona azo ifanarahan’i Kristy sy i Beliala.HAT 329.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents