Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ady Hahazoana Fanahy Iray

    Nahita ireo anjely ratsy aho nifanditra ny amin’ny fanahy, ary ny anjelin’Andriamanitra nanohitra azy ireo. Henjana ny fifandonana. Nanodidina azy ireo ny anjely ratsy, nandoto ny rivotra manodidina azy ireo tamin’ny heriny miasa mangina feno poizina, ary nanadomelina ny vavahadin-tsainy. Nangovitra ireo anjely tsara mpiambina, miandry ny hanosika ireo tafik’i Satana. Tsy asan’ny anjely tsara ny mifehy ny saina hanohitra ny safidin’ny olona. Raha manolo-tena ho an’ny fahavalo ireo, ary tsy miezaka akory ny hanohitra, dia tsy misy azon’ny anjely tsara atao afa-tsy ny mifehy ireo tafik’i Satana tsy hamongotra ireo fanahy ireo, mandra-pandrain’ireo fanahy tandindomin-doza fanazavana misimisy kokoa, hahatonga azy ireo hiarina ka hibanjina ny lanitra hangataka vonjy. Tsy maniraka ny anjelin’ny lanitra hanafaka ireo izay tsy miezaka akory manampy ny tenany i Jesôsy.HAT 37.1

    Rehefa hitan’i Satana fa mitady hamery fanahy iray izy, dia manao izay fara heriny izy hihazonana azy. Raha taitry ny loza mahazo azy ilay olona, ka mitaraina mangataka amin-kafanana hery amin’i Jesôsy, dia matahotra ny ho very babo iray i Satana, ka dia miantso fanampin-kery amin’ireo anjeliny izy hanisy fefy manodidina izany fanahy mahantra izany, ka dia manangana rindrin’ny fahamaizinana manodidina azy ireo, mba tsy hahitany ny fahazavan’ny lanitra. Fa raha mifahatra kosa ilay fanahy tandindomin-doza, ka miantoraka tsy misy hery sy tsy mana-mpanampy miantehitra amin’ny fahatsaran’ny ran’i Kristy, dia hihaino ny vavaka mafana feno finoana i Jesôsy ary dia haniraka vonjy hanafaka azy amin’ny alalan’ireo anjeliny mahery Izy.HAT 37.2

    Tsy mahajanona i Satana rehefa antsoina ilay mpifanandrina mahery aminy, fa matahotra sy mangovitra eo anatrehan’ny heriny sy fiandrianany izy. Mangovitra ny tafik’i Satana manontolo rehefa mandre vavaka mafana (...) Lavo mianjera i Satana sy ny tafiny, mahatsapa fa resy an’ady, rehefa tonga ny anjely mahery, mitafy ny fiadian’ny lanitra, mamonjy ireo fanahy enjehina sy mila hiala aina. — RH, 13 May 1862.HAT 37.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents