Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fivoriana Azo Ekena

    Ny talenta amin’ny hery miasa mangina dia tokony hotehirizina amim-pitandremana tsara tokoa, ary tokony hampiasaina mba hitondrana ny fanahy ho eo amin’i Kristy. Aoka ny tovolahy sy ny tovovavy hisaina mandrakariva fa i Kristy dia tsy mba mankasitraka ireo fanatanjahan-tenany, ny alim-pandihizany sy ireo fampisehoana an-tsehatra maro samy hafa nahazatra azy.HAT 341.1

    Efa naseho tamiko matetika mihitsy fa tokony ho hery miasa mangina avy amin’ny fivavahana sy tsara fototra no tokony hivoaka avy ao amin’ny fivoriantsika. Raha toa ka mivory mba hamaky sy hahazo ny Teny ny tanora ka hanontany hoe: «inona no ataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay?» ary handray ny toerana ao amin’ny fanamarinana izy ireo, i Jesôsy kosa hanaparitaka ny fitahiany ho any amin’ny fon’ny rehetra.HAT 341.2

    Endre! Raha mba ny mambran’ny fiangonana rehetra moa, raha mba ny mpiasa rehetra ao amin’ny fikambanantsika no mahalala fa ny fiainana atỳ an-tany dia sekoly hiomanana hiatrehana ny fanadinana avy amin’Ilay Andriamanitry ny lanitra, hanadinana ny mikasika ny fahadiovan’ny fieritreretana sy ny tsy fitadiavana izay mahasoa tamin’ny asa atao. Ny tenintsika rehetra, ny ataontsika rehetra ny fieritreretana dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny lanitra avokoa (...)HAT 341.3

    Ny hery sy ny hery miasa manginan’ny fahamarinana no hanamasina sy hanandratra antsika ho any amin’ny toerana tsara sy fatratra indrindra izay hatolotr’Andriamanitra ho antsika. Tsy afaka mianatra sy manaraka ny lalan’i Kristy isika raha tsy amin’ny fanarahana ny Teniny. Ianaro ny Teniny.HAT 341.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents