Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 133 — Fomba Fanao amin’ny Fotoam-Pialan-Tsasatra

    Tsy maintsy miala sasatra ireo mpanao asan-tanana toy ny mpanao asa saina ihany koa. Ny mampiasa ny saina amin’ny fomba tsy miova ary mafy, eny, fa na antony ara-pinoana aza, dia tsy ilaina amin’ny famonjena na amin’ny fifaliana ao amin’Andriamanitra. Ireo lalao toy ny dihy, lalao karatra, ny “jeu d’échec” sy ny “jeu de dames” sy ny sisa, dia tsy azontsika tanterahina satria helohin’ny lanitra. Misintona ho amin’ny fanaovana ny ratsy ireo fialam-boly ireo ary tsy mba mitondra ny tsara fa manentana ny filàna manaitaitra sy mitarika ny fanahin’ny sasany ho tia ny lalaon’ny kisendrasendra ary mahatonga fahaverezana. Ny karazan-dalao mitovy amin’ireo rehetra ireo dia tokony halavirin’ny Kristianina ary soloiny zavatra tsy hanimba azy.HAT 342.1

    Raha ny mikasika ny andro fialam-boly ankehitriny dia aoka hofadina ny manahaka ny fomba fanaon’izao tontolo izao na ny misaina izany, satria hanome alahelo ho an’ny zanatsika. Amin’izao andro izao, izay ihazakazahan’ny tanorantsika ho amin’ny fialam-boly manaitaitra, dia aoka hamorona fialam-boly hafa mahasoa hialana amin’ny fahasimban’izy ireo. Asehoy amin’ny zanakao fa mitsinjo ny hahasoa sy hahasambatra azy ireo ianareo ray aman-dreny.HAT 342.2

    Aoka ny fianakaviana any an-tanàn-dehibe sy ny tanàna madinika hampiato ny asa mahazatra, mandreraka ny vatana sy ny saina. Azo atao ny miaraka mivoaka mitsangantsangana eny anivon’ny natiora izay afaka manao fampisehoana lehibe. Io no afaka hitondra sakafo tsotra, masina.HAT 342.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents