Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 134 — Tontolon’ny Asasoratra

    Anontaniana matetika ny hoe: moa tsara ho an’ny tanora ve ny tontolon’ny asasoratra? Mba hanomezana valiny mifanaraka amin’izany dia tokony hoheverina aloha, tsy ny tanjona kendrena ao amin’io tontolo io ihany, fa ny hery miasa mangina efa naterany tany amin’ny lasa. Adidy amin’ny tena, amin’ny mpiara-monina ary amin’Andriamanitra ny fampivoarana ny saina. Nefa aoka tsy hiantehitra fotsiny amin’ny fiainana ara-tsaina sy ara-panahy mihitsy. Tsy mety ho tratra ny fahatanterahana raha tsy amin’ny fampivoarana mirindra ny ara-tsaina sy ny ara-panahy. Moa azo ao anatin’ny tontolon’ny asasoratra amin’ny maha tontolon’ny asasoratra azy ve ireo?HAT 342.4

    Matetika dia miteraka, hery manohitra izay tokony hoheverina amin’izay ambaran’ny anarany ny tontolon’ny asasoratra. Mitondra voka-dratsy ho an’ny tanora izy rehefa entina amin’ny maha-izy azy; satria i Satana mametraka ny dian-tanany amin’izay rehetra miditra ao. Taratry ny toetr’i Kristy ireo rehetra izay mitondra mankany amin’ny fahamendrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Arakaraka ny maha-kely ny an’i Kristy no maha-kely koa ireo izay afaka manandratra, manadio sy manatsara. Voaroaka ny Fanahin’Andriamanitra rehefa ny olon’izao tontolo izao no mitarika ny fivoriany ka entiny amin’izay itiavany azy izany. Voahodina amin’ny fifantohana matotra amin’Andriamanitra sy amin’ny zava-misy ary mampahery ny saina ka mihazakazaka mankany amin’ny zavatra foromporonina sy ivelambelany fotsiny ihany. Tontolon’ny asasoratra: raha mba asehon’ny anarany moa ny tena toetrany! Inona no ifandraisan’ny mololo sy ny vary?HAT 343.1

    Mety ho tamim-pikasana tsara angamba no nanorenana ireny vondrona ireny; nefa tsy mba tamin’ny fahendren’Andriamanitra, hany ka lasan’ilay ratsy. Apetraka ao amin’ny ankapobeny ny olona tsy mivavaka, fo sy fiainana tsy nohamasinina, ary omena azy ireo mihitsy aza ireo toerana manan-danja. Mino izy ireo fa levona ny hery miasa manginan’ny ratsy noho ireo fitsipika maro napetraka; nefa i Satana, ilay jeneraly kinga dia miasa mba hametrahana ao ny fitondrana mifanaraka amin’ny drafiny. Mahita lalana amin’ireo izay efa notarihiny taloha ilay fahavalo lehibe ka ampiasainy hanatanterahana ny fikasany ireo. Ampidirina ao ny fialam-boly misintona sy mitarika izao tontolo izao ho ao amin’ny fivoriana ary ny asan’ireo mpanao asasoratra dia mihasimba hatrany noho ireo seho sehatra sy teatra manimba ary ireo hevi-dravina ataony. Mandroba ny fo nofo izay miaina ao anatin’ny fankahalana an’Andriamanitra izany nefa tokony hanamafy ny fahalalana sy hampivoatra ny saina.HAT 343.2

    Ny fisian’ireo olona matahotra an’Andriamanitra ao anatin’ireny vondrona ireny dia tsy mba hahatonga ny mpanota ho masina mihitsy. Raha miray amin’ny olon’izao tontolo izao sy ireo mpaniratsira ny fivavahana ny vahoakan’Andriamanitra ka mietry eo ambanin’ny hery miasa manginan'ilay ratsy dia tsy ho ela ihany koa dia hanalavitra an’Andriamanitra izy ireo. Mety ho tsy misy zava-dratsy firy mitranga aloha amin’ny voalohany nefa misy fahendrena tsy eo ambanin’ny Fanahin’Andriamanitra tsy hankasitraka ny fahatsapana ny fahamarinana sy ny fanamarinana. Raha toa ka nanam-pitiavana ny zava-masina izy ireo dia ho anisan’ny mpianatr’i Kristy. Tia mifantoka amin’ny zavatra tsara, manan-tsaina, ary mendrika ny mpianatr’i Kristy; etsy an-daniny kosa, ireo izay tsy tia ny zava-masina dia tsy mba liana amin’ny fivoriana toy ireny raha toa ka tsy zavatra tsy misy fotony sy ivelambelany fotsiny ihany no resahina amin’ny ampahany betsaka amin’ny fotoana ao. Manala tsikelikely ny zava-panahy ilay singa mpanohitra ka ny ezaka atao mba hisian’ny marimaritra iraisana ao amin’ireo vondrona roa ireo dia tsy mba nahitana fahombiazana mihitsy.HAT 344.1

    Nandramana naorina ny tontolon’ny asasoratra ho amin’ny tsara ahitana mambra mahatsapa ny andraikiny eo amin’ny ara-panahy, mahay mandray ny adidy hiala amin’ireo rehetra mitera-doza ho an’ny fivavahana eo amin’ny fiarahamonina. Mba hitarihana izany dia nilaina ny olona maotina, mahay ny fahamarinana madio, mifandray amin’ny lanitra, mahay manavaka tsara ny fironana mankany amin’ny ratsy, mitana mandrakariva ny fanevan’i Kristy. Ny hery miasa mangina toy izany no afaka mitondra haja sy hahatonga ny fivoriana toy ireny ho tso-drano fa tsy ozona.HAT 344.2

    Raha toa ka misy lehilahy sy vehivavy matotra maniry ny hiditra ao amin’ny fikambanan’ny tanora mba hamolavola sy hitondra ny vondrona dia ilaina sy mahaliana izany. Nefa rehefa ireny fivoriana ireny no mihasimba, ary tsy misaina afa-tsy ny hiala voly dia tsy mba ho mpanao asasoratra marina sy mendrika izy. Tsy miteraka afa-tsy ny fahasimban’ny saina sy fanahy izy.HAT 345.1

    Ny famakiana ny Baiboly, ny fandinihana arahin-tsikera izay voalaza ao, ny fanandramana an-tsoratra ireo foto-kevitra afaka mampivoatra ny saina sy mampianatra ny faminaniana na ireo lesona sarobidy avy amin’i Kristy, izany no afaka hampivoatra ny fahafahana ara-tsaina sy hampitombo ny ara-panahy. Ny fifankazarana amin’ny Soratra Masina no mandranitra ny fahalalana sy manamafy ny fanahy ary hanohitra ny famelezan’i Satana.HAT 345.2

    Vitsy ireo olona mihevitra fa tsy manana andraikitra izy amin’ny fanaraha-maso ny fieritreretana sy ny fisainana. Sarotra ny mitazona eo amin’ny foto-kevitra ilàna ny fahaizana tsy voafehy. Nefa tsy mamokatra ny fivavahana raha tsy mahazo ny fitarihana sahaza azy ny fisainana. Ny saina tsy tia zava-masina sy mandrakizay dia hifatotra amin’ny fisainana ambany sy ivelambelany fotsiny ihany. Ny fahafahana ara-tsaina sy ara-panahy dia tokony hofehezina eo ambanin’ny lalàna; tsy afaka ny hihahery izy raha tsy amin’ny famerimberenana (...)HAT 345.3

    Tahaka ny fo ihany, ny fahaizana dia tokony hatokana ho an’Andriamanitra. Manana zo amin‘izay zavatra ananantsika isika. Ny mpianatr’i Kristy dia tsy tokony hanome fahafahampo, na tsy manan-tsiny sy azo deraina toy inona ny fisehony, rehefa ny feon’ny fieritreretana voazava no maneho fa mamono ny zotom-po sy ny ara-panahy izany. Ny Kristianina rehetra dia tokony hiasa hanohitra ny onjan’ilay ratsy ary hanala ny fanahy eo ambanin’ny hery mitondra mankany amin’ny fahapotehana. Andriamanitra anie hanampy antsika hanohitra ny onjan-drano.HAT 345.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents