Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Eo Amin’ny Sahan’ny Fahaverezana

    Ny dihy sy ny lalao karatra dia fandaniana andro ao amin’ny ankohonana mpivavaka maro. Heverina ho fialam-bolin’ny fianakaviana izany ary tsy misy voka-dratsy satria eo ambany mason’ny ray aman-dreny. Nefa mampitsiry ny fahitana tsirony amin’ny fanaitairana, ary tsy atahorana ao an-trano saingy tsy ho izany any ivelany. Misy tombontsoa anefa amin’izy ireny: tsy manampatra be fahatany ny herim-batana, na mampatoritory ny saina. Tsy manome vokatsoa ho an’ny fanahy. Ny mifanohitra amin’izany aza: manimba ny tsiron’ny zava-mahasoa sy ny asa fanompoana ireny. Misy fahasamihafana lehibe tokoa ny fihaonana voafantina sy ny fihaonam-bahoaka. Samy lalana ho amin’ny fanararaotana avokoa anefa ireny.HAT 347.1

    Ny dihy, amin’ny fisehony ankehitriny, dia sekolin’ny fandrotidrotehana, loza ho an’ny fiarahamonina. Raha izay noravany tao amin’ny tanàn-dehibe iray nandritra ny herin-taona no angonina dia ho tantara maizina fotsiny no ho hitantsika. Ny ankamaroan’ireo mpiaro izany fialam-boly izany dia hangorohoro noho ny vokany. Ahoana no ahasahian’ny ray aman-dreny Kristianina maka fanahy ny zanany miaraka aminy eo amin’ny sehatr’izany fety izany? - The RH, 28 Feb. 1882.HAT 347.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents