Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Voahodidin’ny Famindrampon’Andriamanitra

    Ny famindrampon’Andriamanitra dia manodidina anao mandrakariva; ary mahasoa anao ny mandinika hoe ahoana sy oviana no niavian’ireo fitahiana azonao isan’andro. Aoka ireo fitahiana sarobidy avy amin’Andriamanitra hamoha ny fankasitrahana ao anatinao. Tsy ho voaisanao ny fitahian’Andriamanitra, ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana asehony anao, satria maro tsy tambo isaina tahaka ny ranon’ando mamelombelona izany. Mihantona eo amboninao ny rahom-pamindrampo ary efa vonona ny hirotsaka eo aminao. Raha ankasitrahanao io fanomezana sarobidin’ny famonjena io dia hahazo famelombelomana isan’andro ianao, ary fiarovana sy fitiavana avy amin’i Jesôsy; ho voatarika eo amin’ny lalan’ny fiadanana ianao. - MYP 409.3.HAT 356.2

    Banjino ireo zavatra be voninahitra nomen’Andriamanitra ao amin’ny natiora, avelao ho feno fankasitrahana ilay Mpanome ny fonao. Misy fianarana mahasoa ny saina ao amin’ny bokin’ny natiora. Sokafy ny mason’ny fahazavan-tsainao; jereo ny firindran’ny lalàn’Andriamanitra ao amin’ny natiora, aoka ho talanjona ianao sy ho feno fanajana ilay Mpamorona, ilay mpanapaka ambony indrindra ny lanitra sy tany. Jereo izy, amin’ny mason’ny finoana, miondrika eo aminao amim-pitiavana, milaza amim-pangoraham-po hoe: “Ry zanako lahy, zanako vavy, atolory Ahy ny fonao.” Milefera amin’i Jesôsy, ary avy eo dia afaka hilaza amin’ny fo feno fankasitrahana ianao hoe: “Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy.” Ny finoanao an’i Jesôsy no hanome hery anao amin’ny fikasana rehetra sy hampiorina ny toetranao. - MYP 410.1.HAT 356.3

    Ny fifaliana, ny fiadanana, ny haravoana ary ny fahombiazana rehetra eo amin’ny fiainanao dia miankina amin’ny finoana marina sy mahatoky amin’Andriamanitra. Io finoana io no hampirisika ny tena fankatoavana ny didin’Andriamanitra. Ny fahalalana sy ny finoanao an’Andriamanitra no mpiaro anao mahery indrindra tsy hanao ratsy, ary ho hery manosika anao hanao ny tsara rehetra. - MYP 410.2.HAT 357.1

    Minoa an’i Jesôsy ho toy ny olona iray izay mamela ny fahotanao, ilay iray izay te hahita anao ho sambatra ao amin’ny fitoerana izay nomaniny ho anao. Tiany hiaina eo anatrehany ianao; tiany ianao hanana ny fiainana mandrakizay sy ny satro-boninahitra. - YI, 5 Jan., 1887. {MYP 410.3}HAT 357.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents