Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 139 — Ny Hery Miasa Manginan’ny Fisakaizana

    Tsy azo ialana ny hananan’ny tanora namana, ary tsy maintsy hanana hery miasa mangina eo aminy ireo namana ireo. Misy fatorana mahagaga izay mampikambana ny fanahy, ka izany no mahatonga ny fon’ny iray hamaly ny fon’ny iray hafa. Olona iray no lasa mahazo ny fisainana, ny fihetseham-po ary ny foto-kevitry ny olona iray hafa. Mety ho fitahiana na koa ho ozona io fiarahana io. Mety hifanampy sy hifampahery ny tanora, mivoatraHAT 357.3

    ny fitondran-tena, ny fironana ary koa ny fahalalana; kanefa, raha toa ka manome lalana ny tena hirona amin’ny tsy firaharahana sy ny tsy fahatokiana, dia mety ho hery miasa mangina izay manimba ny fitondran-tena izany. - MYP 411.1.HAT 358.1

    Ny fisafidianana namana dia raharaha iray izay tokony horaisin’ny mpianatra amin’ny fomba matotra. Misy karazan’olona roa mandrakariva eo amin’ireo tanora mianatra ao amin’ny sekolintsika, ireo izay miezaka manao izay ankasitrahan’Andriamanitra sy mankatò ny mpampianatra, ary koa ireo izay fenon’ny fanahin’ny tsy fanarahan-dalàna. Raha toa ka manaraka ny besinimaro hanao ny ratsy ny tanora, dia hanana hery miasa mangina ratsy izy ireo, ka hitarika ireo izay tsy mbola nandala ny foto-pisainana feno fahatokiana ho any amin’ny lalan-diso. - MYP 411.2.HAT 358.2

    Marina ilay filazana hoe: “Asehoy ahy ny namanao dia holazaiko anao ny toetranao.” Tsy mbola tena tsapan’ny tanora tsara ny vokatra lehibe ateraky ny fisafidianana namana aman-tsakaiza eo amin’ny toetra sy ny lazan’izy ireo. Ny olona iray dia mitady ny hiaraka amin’ireo izay mitovy zavatra ankafizina sy fahazarana ary fomba fanao aminy. Ireo izay tia kokoa ny fiarahana amin’ny tsy mahalala fomba sy ny ratsy toe-tsaina mihoatra ny fiarahana amin’ny hendry sy ny tsara dia maneho fa misy fahasimbana eo amin’ny toetrany. Mety tsy hitovy amin’ny an’ny olona tiany hiarahana ny zavatra tiany sy ny fombany; kanefa, araka ny ifangaroany amin’ireo olona ireo dia miova ny fomba fisainany sy fihetseham-pony; ataony sorona ireo foto-pisainana marina sy mahitsy, tsy tsapany akory kanefa tsy azony ihodivirana fa mitotongana, lasa mitovy amin’ireo naman-dratsiny izy. Tahaka ny rano maka ny lokon’ny tany izay ikorianany, tahaka izany koa, ny foto-pisainana sy ny fomban’ny tanora dia tsy maintsy maka tahaka ny toetr’ireo namana izay iarahany... - MYP 411.3.HAT 358.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents