Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fandrefesana ny Hery

    Zavatra roa no mandrafitra ny hatanjahan’ny toetra: ny herin’ny sitrapo sy ny herin’ny fifehezan-tena. Maro ny tanora no mampifangaro ny hafanam-po miredareda tsy voafehy amin’ny hatanjahan’ny toetra; kanefa raha ny marina dia lehilahy malemy ny lehilahy voafehin’ny firehetam-pony. Ny maha-lehibe sy ny maha-mendrika ny olona iray dia ny hery hahafahany mifehy ny fihetseham-pony fa tsy ny hery hahafahan’ny fihetseham-pony mifehy azy. Ny lehilahy mahay mifehy ny firehetam-pony sy mamela heloka ny fahavalony, kanefa tsy mandefitra amin’ny fanararaotana, no lehilahy mahery indrindra. - MYP 412.1.HAT 359.1

    Nomen’Andriamanitra hery ara tsaina sy ara-môraly isika; kanefa amin’ny lafiny maro dia ny tsirairay ihany no tompo-marika amin’ny fandrafetana ny toetrany. Mihamanakaiky isan’andro ny fahavitan’io fandrafetana toetra io. Mampitandrina antsika ny tenin’Andriamanitra mba ho malina amin’ny fomba fanorenantsika izany, mba hanao izay hahazoana antoka fa mifototra amin’ilay vatolampy mandrakizay ny zavatra aorintsika. Ho avy ny fotoana izay hampibaribary ny tena asa nataontsika. Izao no fotoana ho an’ny rehetra hikolokoloana ireo hery izay nomen’Andriamanitra azy, mba hahafahany mamolavola toetra izay hahasoa amin’ity fiainana ity sy ho amin’ny fiainana ambony kokoa rahatrizay. - MYP 412.2.HAT 359.2

    Hanome hery sy hamafisan-toetra ny finoana an’i Kristy ho Mpamonjin’ny tena manokana. Ireo izay manana finoana marina an’i Kristy dia hahafehy ny sainy, satria tsaroany fa mibanjina azy ireo ny mason’Andriamanitra, mandanja fahamendrehan’ny fitondran-tena ilay Mpitsara ny olona rehetra, mijery ny fomba hampivelarana ny toetra ireo voary any an-danitra rehetra. - MYP 413.1.HAT 359.3

    Ny antony mahatonga ny tanora hanao fahadisoana goavana dia satria tsy misintona lesona avy amin’ny fanandraman’ireo izay efa nanana fiainana lavalava kokoa noho izay nananany izy ireo. Tsy azon’ny mpianatra atao ny mananihany na manimbazimba ireo fampitandremana sy torolalana izay omen’ny ray aman dreny sy ny mpampianatra. Tokony handala ny lesona rehetra izy ireo, ary tokony hahatsapa koa fa mila fampianarana lalina kokoa noho izay rehetra azon’olombelona omena azy. Rehefa mitoetra ao am-po amin’ny alalan’ny finoana i Kristy, ny Fanahiny dia lasa hery manadio sy mamelombelona ny fanahy. Tsy maintsy manana hery miasa mangina manitsy eo amin’ny fiainana ny fahamarinana ao am-po. - MYP 413.2.HAT 360.1

    Aoka ny mpianatra izay lavitra ny tokantranon’izy ireo, tsy eo ambanin’ny hery miasa mangina mivantan’ny ray aman-dreny intsony, mba hahatsiaro fa mibanjina azy ny Ray izay any an-danitra. Tiany ny tanora. Fantany ny zavatra ilainy, tsapany ireo fakam-panahy mahazo. Fahafaha-manao betsaka no hitany ao aminy, ary vonona Izy ny hanampy azy hanatratra ny fara tampony, raha toa mahatsapa izy fa mila Azy ka mangataka fanampiana avy Aminy. - MYP 413.3.HAT 360.2

    Ry mpianatra, miakatra andro aman’alina any amin’Andriamanitra ny vavaky ny ray aman-dreninareo ho anareo; manaraka anareo isan’andro isan’andro ny fahalianana feno fitiavan’izy ireo. Henoy ireo fitalahoana sy fampitandremana omeny, ary manapaha hevitra ny hanandratra ny tenanareo ambonin’ny ratsy rehetra izay manodidina anareo. Tsy hainareo ny hamantatra ny fomba feno fitaka ampiasain’ny fahavalo hanimbana ny sainareo sy ny fombanareo, ka hamolavola foto-pisainana diso ao anatinareo. - MYP 413.4.HAT 360.3

    Mety tsy ho hitanareo ny tena loza mananontanona amin’ny fandraisana ny dingana voalohany amin’ny fanaovana zavatra tsy misy dikany sy ny fitadiavana fahafinaretana, ary eritreretinareo fa rehefa te hiova lalana ianareo dia afaka hanao ny tsara mora foana tahaka ny nanaovanareo izany talohan’ny nileferanareo tamin’ny tsy mety. Kanefa fahadisoana izany. Maro ireo efa voatarika tsikelikely avy amin’ny lalan’ny fahamarinana ho any amin’ny lalan’ny tsy fankatoavana sy ny fandanilaniam-poana izay tsy nampoiziny akory noho ny fisafidianana naman-dratsy. - MYP 414.1 .HAT 360.4

    Ny mpianatra milefitra amin’ny fakam-panahy dia mampihena ny lanjan’ny hery miasa manginany ho amin’ny tsara. Ary ireo izay lasa fitaovana ampiasain’ilay fahavalon’ny fanahy noho ny fanaovana ny tsy mety dia tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra noho ny fametrahany vato fanafintohinana teo anoloan’ny hafa. Inona no antony tokony hifandraisan’ny mpianatra amin’ilay mpikomy lehibe? Fa nahoana no tokony ho fitaovana ampiasainy amin’ny fakana fanahy ny hafa izy ireo? Nahoana raha mba mianatra izy ireo mba hahafahany manampy sy mampahery ny mpianatra namany sy ny mpampianany? Tombontsoa ho azy ireo ny manampy ny mpampianany hitondra ny enta-mavesatra sy hanohana mandritra ireo toe-javatra mafy sy ireo fisedrana izay alefan’i Satana. Azon’izy ireo atao ny mamorona tontolo iainana izay tena manampy, mamelombelona sy mampifalifaly. Azon’ny mpianatra tsirairay avy atao ny mahatsapa fa nijoro niandany tamin’i Kristy izy ireo, tamin’ny fanehoana fanajana ny filaminana sy fahamalinana ary fankatoavana, ka nandà ny hanome na dia kely monja aza amin’ny fahaiza-manao sy ny hery miasa mangina ananany ho an’ilay fahavalon’ny tsara sy fahavalon’izay manandratra. - MYP 414.2.HAT 361.1

    Ny mpianatra izay tena mandala ny fahamarinana sy fahatakarana marina ny momba izay tokony hatao dia afaka manao zavatra betsaka mba hitondrana ireo mpianatra namany ho eo amin’i Kristy. Hahay manaja lalàna ny tanora izay mitondra ny ziogan’i Kristy, tsy hitady ny fahafinaretan’ny tenany manokana izy. Ho iray amin’i Kristy amin’ny asa izy satria iray amin’i Kristy amin’ny fanahy. Ireo mpianatra zokiny ao amin’ny sekolintsika dia tokony hahatsiaro fa afaka ny hamolavola ny fomba amam-panaon’ny mpianatra zandriny izy; ary tokony hikatsaka ny fomba tsara indrindra hanaovana izany mandrakariva izy ireo. Aoka handray fanapahan-kevitra ny mpianatra fa tsy hampiasa ny hery miasa mangina ananany mba hamadihana ny namany ho eo an-tanan’ny fahavalo. - MYP 415.1.HAT 361.2

    Ho mpanampy ireo rehetra matoky Azy i Jesôsy. Manam-pifaliana mandrakariva ireo izay mifandray amin’i Kristy. Manaraka ny lalana izay hitarihan’ny Mpamonjiny azy izy, ary hanombo ny nofo miaraka amin’ny fitiavany sy ny filàny noho ny Aminy. Manorina ny fanantenany eo amin’i Kristy izy ireo ka tsy afa-manao na inona na inona mba hanongotra azy amin’izany fototra azo antoka izany ireo tafio-drivotry ny tany. - MYP 415.2.HAT 362.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents