Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Andraikitsika

    Andraikitra tsy azontsika ialana izany. Ny teny avoakantsika, ny zavatra tanterahintsika, ny fitafiantsika, na dia ny endrika asehon’ny tarehintsika aza dia manana hery miasa mangina. Izany fiheveran’ny olona antsika izany dia misy vokany tsara sy ratsy izay tsy hain’olombelona refesina. Ny zavatra bitika indrindra dia voa nafafy hitondra ny vokany. Raha manampy ny hafa hanorina fitsipi-piainana tsara amin’ny alalan’ny ohatra asehontsika isika dia manome hery azy hanaovany soa. Ary avy eo dia izy ireo indray no hanana hery miasa mangina amin’ny hafa, ary ireo amin’ny hafa koa. Noho izany dia an’arivony no handray fitahiana noho ny hery miasa mangina avy amintsika izay mety ho tsy fantatsika akory aza. - MYP 417.3 .HAT 364.2

    Atsipazo ao anaty rano ny vatokely iray, dia misy onja iray mipoitra, dia miampy iray, ary miampy iray ihany, ary arakaraka ny hitomboany no hivelaran’ny fari-bolana, mandra-pahatrarany ny morony. Izany ihany koa no miseho amin’ny hery miasa mangina avy amintsika. Lasa fitahiana na ozona ho an’ny hafa izany amin’ny fomba tsy takatsika sy tsy azontsika fehezina. - MYP 418.1.HAT 364.3

    Hery ny toetra. Ny fijoroana ho vavolombelona manginan’ny fiainana marina, tsy da tena, araka an’Andriamanitra dia hery miasa mangina saika tsy azo toherina. Miara-miasa amin’i Kristy amin’ny famonjena fanahy isika amin’ny fanehoana ny Toetrany eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny alalan’ny fanehoantsika ny Toetrany eo amin’ny fiainantsika ihany no ahafahantsika miara-miasa Aminy. - MYP 418.2.HAT 365.1

    Ary rehefa mihamivelatra ny sehatra iharan’ny hery miasa mangina avy amintsika dia mihabetsaka ny soa azontsika atao. Rehefa manaraka ny ohatr’i Kristy ireo milaza ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra, sady mampihatra ny fitsipiky ny lalàna eo amin’ny fiainany andavanandro; rehefa asehony amin’ny asany fa da an’Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra izy ary tia ny namany tahaka ny tenany, dia hahazo hery hanetsehana izao tontolo izao ny fiangonana. - COL, tt. 339, 340. {MYP 418.3}.HAT 365.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents