Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 142 — Ny Lalàna Volamena

    Rehefa mifandray amin’ny hafa ianao, dia makà ny toerany. Fantaro ny fihetseham-pony, ny zava-tsarotra atrehiny, ny fahadisoam-panantenany, ny fifaliany, ny fahoriany. Mipetraha eo amin’ny toerany, ary ataovy aminy tahaka izay tianao hataony aminao raha toa ka teo amin’ny toerana misy azy ianao. Izany no lalàna marin’ny fahitsiana. Fomba filazana hafa ilay lalàna manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” izy io. Ary io no votoatin’ny ny fampianaran’ireo mpaminany. Fitsipiky ny lanitra izy io ary hivelatra ao anatin’ireo rehetra mendrika ny hiara-dia amin’ny lanitra. - MYP 420.1.HAT 366.2

    Ny lalana volamena no fitsipiky ny fahalalam-pomba marina, ary ny fomba isehoany marina indrindra dia hita ao amin’ny fiainan’i Jesôsy sy ny toetrany. Tara-pahazavana malefaka sy mahafinaritra manao ahoana re no namirapiratra teo amin’ny fiainana andavanandron’ny Mpamonjintsika! Hamamiana manao ahoana re no nikoriana avy tamin’ny Fanatrehany! Hiseho eo amin’ny zanany koa izany toe-tsaina izany. Ireo izay itoeran’i Kristy dia ho voahodidina rivo-piainana avy amin’Andriamanitra. Ny akanjo fotsy lavan’ny fahadiovana izay omena azy dia hamoaka fofo-manitra avy amin’ny sahan’Andriamanitra. Ny tavan’izy ireo dia hitaratra ny fahazavana avy amin’ny Tavany, ka hanazava ny lalana ho an’ireo tongotra reraka sy tafintohina. - MYP 420.2.HAT 366.3

    Tsy misy olona manana fahatakarana tsara izany atao hoe toetra tonga lafatra izany ka tsy haneho ny hatsaram-panahy sy halemem-panahin’i Kristy. Ny hery miasa manginan’ny fahasoavana no manalefaka ny fo, manadio sy manatsara ny fihetseham-po, ary manome fahalemena sy fahatsapana izay mety sy tokony hatao avy any an-danitra. - TFMB, tt. 134, 135. — {MYP 420.3} .HAT 367.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents