Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ezaka Mahery Vaika amin’ny Fanamasinana

    Raha toa ka i Kristy sy ny lanitra no lohahevitra banjinina dia haneho izany mazava tsara hatrany ny resaka atao. Feno fahasoavana ny fomba firesaka ary haneho ilay mpiteny fa nahazo fanabeazana tany amin’ny sekolin’ilay Mpampianatra avy any an-danitra izy. Hoy ny mpanao salamo: “Ny lalan’ny fahamarinanao no fidiko, apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.” Nataony ho sarobidy ho azy ny tenin’Andriamanitra. Niditra tao anaty ny fahatakarany izany, ka tsy natao maivan-danja fa nampiharina teo amin’ny fiainana (...). - MYP 427.2.HAT 374.1

    Isan’andro isan’andro, isan’ora isan’ora, dia tokony hisy dingana mahery vaika ho amin’ny fandavan-tena sy fanamasinana ao anaty; ary ny asa no hanamarina etỳ ivelany fa mitoetra ao am-po amin’ny alalan’ny finoana i Jesôsy. Tsy manakana ny tsy hahazoana fahalalana ny fanamasinana, fa tonga hampivelatra ny saina izy, sy handrisika amin’ny fitadiavana ny marina tahaka ny fitadiavana harena miafina; ary ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra dia mampandroso ny asa fanamasinana. Misy tokoa ny lanitra ary tokony hikatsaka ny hanatratra azy fatratra isika. - MYP 428.1.HAT 374.2

    Miangavy anareo mpianatra ao amin’ny sekolintsika aho mba hinoanareo an’i Jesôsy ho Mpamonjy anareo. Minoa fa vonona Izy ny hanampy anareo amin’ny alalan’ny fahasoavany, raha toa ka mankeo aminy amim-pahatsoram-po ianareo. Tokony hiady ny ady tsaran’ny finoana ianareo. Tokony ho mpitolona ho an’ny satroboninahitry ny fiainana ianareo. Miezaha mafy, fa efa eo ambany vahohon’i Satana ianareo; ary raha tsy mitolona hiala aminy ianareo dia tsy ho afa-mihetsika intsony ary ho potika tanteraka. Ao amin’ny ankavananareo ary koa ao amin’ny ankavianareo ny fahavalo, ao aloha sy aoriana koa izy; ary tokony hohitsakitsahinareo ao ambany tongotrareo izy. Miezaha mafy, misy satroboninahitra tokony ho azo. Miezaha mafy, satria raha tsy mahazo izany satroboninahitra izany ianao dia ho very daholo ny momba anao rehetra na amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana mbola ho avy. Miezaha mafy, fa aoka ho ao amin’ny herin’Ilay Mpamonjinareo nitsangana izany fiezahana izany. - RH, 21 Aog. 1888. Jereo koa «FCE, tt. 129-137. -MYP 428.2.HAT 374.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents